Fiangonana Apôstôlika Armeniana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny Fiangona apôstôlika armeniana na Fiangonana armeniana dia fiangonana ôrtôdôksa anisan' ireo fiangonan' ny kônsily telo. Atao hoe Հայաստանեայց Առաքելական Եկեղեցի / Hayastaneayc’ Aṙak’elakan Ekeġec’i izy amin' ny teny armeniana.

Nandray ny arana hoe "apôstôlika" io fiangonana io satria, araka ny lovantsofina, naorin' ny apôstôly Joda Tadeo sy Bartôlômeo (na Bartelemy). Nanjary fiangônanam-panjakana tao amin' ny fanjakan' i Armenia izy tamin' ny fiovam-pinoan' ny mpanjaka Tiridatesy IV (armeniana: Տրդատ Դ) tamin' ny alalan' i Gregôiriôsy Fôstera (armeniana: Գրիգոր Ա Լուսաւորիչ; grika: Γρηγόριος Φωστήρ). Nampandroso ny mampiavaka manokana azy izy tamin' ny taonjato faha-6 hatramin' ny faha-18, izay nanamaron-toerana ny kristôlôjiany amin' ny fandraisany ny miafizisma. Ny patriarka ankehitriny dia i Karekin II nanomboka tamin' ny 27 Oktobra 1999.

Ireto koa no anarana iantsoana io fiangonana io:

  • Fiangonana Ôrtôdôksa Armeniana
  • Fiangonana Gregôriana Armeniana
  • Fiangonana Apôstôlika Armeniana Gregôriana
  • Fiangonan' i Armenia
  • Fingonana Armeniana

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]