Saikanosin'i Arabia

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarin'i Arabia azo avy amin'ny zanabolana

I Arabia na ny saikanosin'i Arabia dia saikanosy lehibe ao atsimo andrefan'i Azia, eo amin'ny fitohizan'i Azia sy Afrika. Ampahan'i Atsinana Akaiky io saikanosy io sady mitana anjara toerana amin'ny lafiny toekarena noho ny fananany tahirin-tsolitany sy etona voajanahary. Amin'ny teny arabo izy dia atao hoe شبه الجزيرة العربية / shibh al-jazīra al-ʿarabīyah ("saikanosy arabo") na جزيرة العرب / jazīratu Al-ʿArab "nosin'ny Arabo".