Tibeta
I Tibeta dia faritra mizakatena ao Sina. I Lhassa no renivohiny. Ao amin' ny tapany andefan' i Sina no misy azy, ka mamaritra azy ao avaratra ny faritra mizakatenan' i Xinjiang sy ny faritanin' i Qinghai, ao atsinanana ny faritanin' i Sichuan, ao atsimo-atsinanana ny faritanin' i Yunnan sy i Birmania (na Mianmara), ao atsimo i India sy i Botàna ary i Nepaly, ary ao andrefana i India. Miovaova eo anelanelan' ny 1 222 600 km2 (faritra mizaka tenan' i Tibeta) sy 2 500 000 km2 (Tibeta ara-tantara na Tibeta Lehibe).
Ilay atao hoe "Tibeta ara-tantara" izay takian' ny governemanta tibetana an-tsesitany dia misy faritra telo, dia i Ü-Tsang (ny ampahany be amin' io faritra io dia ao amin' ny faritra mizakatenan' i Tibeta) sy i Amdo (izay mizara amin' ireto faritany ireto: i Qinghai sy i Gansu ary i Sichuan) ary i Kham (izay mizara amin' ireto faritany ao amin' ny faritra mizakatenan' i Tibeta: i Sichuan sy i Yunnan).
Miisa 6 000 000 any ho any ny Tibetana ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny ankamaroan' ny Tibetana dia manaraka ny bodisma. Miteny amin' ny endrika isam-paritra telon' ny fiteny tibetana izy ireo. Ny fiteny tibetana dia ao amin' ny fianakaviam-piteny tibetô-birmana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Lisitry ny firenena any Azia:
- Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jeôrjia - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara (na Birmania) - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina - Rosia - Sina - Singapôro - Siria - Srilankà - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Timôro Atsinanana - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy
Fanjakana mbola misy olana: