Maley (firazanana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Maley dia firazanana araka ny tolokevitry ny mpahay siansa alemàna Johann Friedrich Blumenbach (1752–1840). I Blumenbach dia namaritra firazanana dimy itsinjaràn' ny olombelona maneran-tany, ary nanasokajy azy ireo araka ny volon-koditry ny olona. Nosokajina ho manana volon-koditra mivolontany ny firazanana maley. Hatramin' ny Blumenbach dia maro ny antrôpôlôga no nitsipaka ny teôriany momba ny firazanana dimy. Ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia manaiky fa ny fanasokajiana ny firazanana dia sarotra kokoa noho ny nataon' i Blumenbach. Ny firazanana maley dia heverina ho teratany voalohany ao amin' ny Vondronosy Maley, voafaritry ny fikarohana arkeôlôjika, izay nisy tamin' ny fanombohan' ny vanimpotoana kristiana tao amin' ny Vondronosy Maley.

Ny teny hoe "firazanana maley" (anglisy: Malay race ) dia nampiasaina matetika tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20 mba hilazana ny vahoaka aostrôneziana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]