Laôsy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Laôsa)
Sainan' i Laôsa
Saritanin' i Laôsa

I Laôsy na Laôsa dia firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana. Ny renivohiny dia i Vientiane. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 236 800 km2 ny velarantaniny ary miisa 6 500 000 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia +7.

I Laôsy no hany firenena ao amin' ny Saikanosy Indôsinoa tsy manana morontsiraka. Be tendrombohitra i Laôsy, ary ny ampahany be amin' ny taniny dia rakotra ala, ahitana hazo sarobidy isan-karazany. Ny korian-drano dia mifandray amin' ny ony Mekong izay iray amin’ ireo ony lavabe any Azia.

Maro dia maro ny karazam-bahoaka hita ao Laôsy. Ny ankamaroan' ny mponina any dia Bodista sady tambanivohitra (80 %).

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Laôsy. Ao amin' ireo faritra be tany lonaka manodidina an' i Mekong no anatanterahana ny karazam-boly toy ny kafe, ny katsaka, ny landihazo, ny legioma, ny paraky ary ny vary.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.