Malezia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Malaizia)
Hanketo: Fikarohana, karohy

Malezia dia firenena ao atsimo atsinanan'i Azia. Izany dia fanjakana federaly ahitana faritany mizaka tena 13. Zarain’ny Ranomasin’i Sina Atsimo ny faritra roa lehiben’i Malezia. Eo amin'ny Saikinosin'i Malay ny renitaniny. Miatrika ny hateren-dranon’i Malacca izy io ao andrefany ary ny Ranomasin’i Sina Atsimo ao amin’ny amorontsiraka atsinanany. Kuala Lumpur izay eo amin’ny renitany eo amin’ny saikanosy malay, no renivohitra. Vao nafindra ho ao Putrajaya ny renivohitra federaly, izay tanàna vao noforonina ary natao manokana ho an’ny fitantarana.

Ao Malezia dia ahitana foko maro. Avy amin’ny foko no ankamaroan’ny mponina ao. Miampy izany dia ahitana ireo foko sinoa ary karana. Ny teny malay no teny ofisialy fa miasa matetika ny teny anglisy amin’ny fanabeazana ary ny raharaham-barotra. Fiteny 130 no isan’ny teny tenenina ao Malezia : 94 ao amin’ny faritra malain’i Borneo ary 40 ao amin’ny saikanosy. Ny finoana silamo no finoana ofisialy, fa afaka mitazona ny finoany avy ireo tsy silamo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.