Firaisambe Afrikana

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Firaisambe Afrikana

Ny Firaisambe Afrikana dia fikambanana iraisam-pirenena niorina tamin' ny 25 May 1963 tany Addis Abeba renivohitr' i Etiôpia, izay misy governemanta 32 nanao sonia. Anisan' ny lehiben' ny fananganana ny Firaisambe Afrikana i Kwame Nkrumah avy any Ganà. Noravan' ny filohany farany, Thabo Mbeki, filohan' i Afrika Atsimo, izy io fikambanana io tamin’ ny 9 Jolay 2002, ary nosoloan' ny Vondrona Afrikana. Anisan' ny tanjon' ny Firaisambe Afrikana ny hamporisika ny firaisankina ara-pôlitika sy ara-toekarena eo amin' ny firenena mpikambana, ary ny famongorana ny fanjanahantany sy ny fanjanahantany vaovao aty amin' ny Kôntinenta Afrikana. Atao hoe Organisation de l'unité africaine (OUA) izy amin' ny teny frantsay, fa Organisation of African Unity (OAU) kosa amin' ny teny anglisy.

Ny tsy fisian' ny tafika mitam-piadiana toa ny an' ny Firenena Mikambana dia nahatonga ilay fikambanana tsy afaka mampihatra ny fanapahan-keviny. Tsy vonona ny hiditra amin' ny raharaha anatiny amin' ny firenena mpikambana ihany koa izy ka nahatonga ny mpitsikera sasany hilaza ny Firaisambe Afrikana ho sehatra fandraisam-pitenenana fa tsy fanaovana hetsika. Noho ny fahafantarana izany dia namoaka fanambarana ny Firaisambe Afrikana tamin’ ny Septambra 1999, izay nitaky ny hisian’ ny fikambanana vaovao hisolo toerana azy. Tamin' ny 9 Jolay 2002 no nitrangan' izany tamin' ny fananganana ny Vondrona Afrikana. Mitohy hatramin' izao ny Vondrona Afrikana amin' ny fitazonana ny ankamaroan' ireo foto-kevitra fototry ny Firaisambe Afrikana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]