Fomboni

Avy amin'i Wikipedia
Sambo ao Fomboni

I Fomboni no renivohitry ny nosy Mwali na Mohéli ao Kômôro. Misy mponina 20 000 any ho any ny ao, izany hoe ny 1/3n' ny mponina ao amin' io nosy io, izy no tanàna lehibe fahatelo ao amin' ny Firaisan' i Kômôro. Ao amin' ny morontsiraka avaratra ao amin' ny nosy Mwali no misy azy. Voaron' ny vatohara ny morontsiraka manandrify azy. Raha tsy maloka ny andro dia azo jerena avy eo Fomboni ireo nosy Ngazidja sy Nzwani.