Kilasin' anarana (fitsipiteny)
Ny kilasin' anarana dia sokajin'anarana manokana fehezin' ny fitsipiteny ao amin' ny fiteny iray sady manana ny marika ahafantarana azy manokana. Akoatra ny fanasokajiana ara-pitsipiteny ny anarana ho kandahy na kambavy, ho anaran' ny manana aina na tsy manana aina, dia misy koa fanasokajina ara-pitsipiteny izay mampiavaka ny fiteny maromaro. Ny anarana ao amin' ny fiteny misy kilasin' anarana dia mety ho sokajina araka ny sasany amin' ireto toetra tanisaina manaraka ireto:
- manana aina vs tsy manana aina
- misaina vs tsy misaina
- lahy vs tsy lahy
- olona vs tsy olona
- mafy vs malemy
- sns
Ahitana fampiasana kilasin' anarana, ohatra, ny vondrom-piteny algôkiana, ny vondrom-piteny atapaskana, ny vondrom-pitenin' ny tompon-tany aostraliana, ny vondrom-piteny kaokaziana, ny vondrom-piteny nizerô-kôngôley.