Lazaina (fitsipiteny)

Avy amin'i Wikipedia

Ny lazaina dia anjara asan' ny teny (matetika anarana na mpisolo) izay misahana ny fanaovana ny asa na tompon' ny toetra resahina ao amin' ny fehezanteny tsotra amin' ny fiendrika manano.

Raha ovana fitodika io fehezanteny tsotra io dia mety ho ilay teny misahana ny anjara asa (na tsinjara asa) iharana na toe-javatra no lasa lazaina ka ilay teny nisahana ny anjara asa lazaina teo aloha lasa fameno. Tsy ny anarana na ny mpisolo ary tsy ny mpanao ny asa na ny tompon-toetra ihany no azo atao lazaina. Arakaraka ny fiteny na ny fahafahan' ny fiteny dia mety ho azo atao lazaina koa ny sokajin-teny toy ny mpamari-toetra sy ny matoanteny, ny andian-teny toy ny tarika sy ny fehezankevitra, ny teny ampiasaina ilazana ny iharan' ny asa na ny toe-javatra (fotoana, antony, vokany sns).

Arakaraka ny mpahay teny dia misy ny mampitovy ihany ny hoe lazaina sy ny hoe lafika, fa misy koa ny manavaka izany.

Famenon' ny lazaina[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny lazaina dia teny atao fameno ho an' ny teny hafa mitana ny anjara asa lazaina. Ny lazaina dia matetika anarana na mpisolo tena, nefa arakaraka ny fiteny dia mety ho mpamari-toetra na sokajin-teny hafa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]