Entimilaza

Avy amin'i Wikipedia


Ny entimilaza na vara dia matetika anjara asan' ny teny na andian-teny ao amin' ny fehezankevitra (na fehezanteny) iray izay anambaràna ny asa atao na ny asa mihatra amin' ny zavatra ambara amin' ny teny mitana ny anjara asa lazaina, na koa anambaràna ny toetrany na ny toerana misy azy na ny fifandraisany amin' ny zavatra hafa. Ny matoanteny, matetika, no misahana ny anjara asa entimilaza, nefa afaka misahana izany koa ny mpamari-toetra na ny anarana na ny mpisolo sns, arakaraka ny fiteny, ka mety mila na tsy mila fampiasana andry izany. Arakaraka ny mpanao fitsipiteny sy ny mpahay fiteny dia mety ho sarahina amin' ny anjara asa entimilaza ny anjara asa fameno ao amin' ny fehezanteny na tafiditra ao anatiny.

Ao ao amin' ny fitsipi-pitenenana an-tsekoly dia matetika ampianarina fa ahitana entimilaza sy lazaina ary fameno ny fehezanteny feno. Ny ankamaroan' ny boky mampianatra ny fitsipitenin' ny fiteny sasany ao Eorôpa (fiteny frantsay, anglisy sns) dia mampifangaro ny hoe "matoanteny" ("verbe", izay sokajin-teny) amin' ny hoe "entimilaza" ("prédicat", izay anjara asan' ny teny) ka mampianatra fa ny fehezanteny feno dia ahinana matoanteny sy lazaina ary fameno.

Arakaraka ny mpahay teny dia misy ny mampitovy ihany ny hoe entimilaza sy ny hoe vara fa misy koa ny manavaka izany.

Famenon' ny entimilaza[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny entimilaza dia teny atao fameno ho an' ny teny hafa mitana ny anjara asa entimilaza. Ny entimilaza dia matetika matoanteny, nefa arakaraka ny fiteny dia mety ho mpamari-toetra, na anarana na sokajin-teny hafa izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]