Tsinjara asa (fitsipiteny)
Apparence
Ny tsinjara asa dia ny hevitra fonosin' ny fifandraisan' ny teny iray na ny tarika iray amin' ny entimilaza (na vara) na ny lohatarika ka tsy miankina amin' ny anjara asa tanany ao amin' ny tarika na ny fehezankevitra na ny fehezanteny izany. Ao amin' ny fehezanteny ovaina fiendrika na fitodika dia miova ny anjara asan' ny teny sasany na izy rehetra fa ny tsinjara asany kosa tsy miova.