Mpisolo manondro

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpisolo manondro dia teny ao amin' ny sokajin' ny mpisolo izay enti-mampitodika na mampifantoka ny mpihaino any amin' ny zavatra lazaina na efa voalaza na mbola holazaina, nefa tsy tononina ny tena anarany satria tsy ilaina ny hanaovana izany, na satria tsy fantatra na tsy tadidy io anarana io, na tsy manana anarana ilay zavatra tenenina. Mitovy lenta amin' ny andian-teny ahitana ny fikambanan' ny anarana sy ny mpamaritra manondro ny mpisolo manondro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]