Mpisolo manontany

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpisolo manontany dia teny ao amin' ny sokajin' ny mpisolo izay enti-manontany. Tsy tononina ny tena anaran' ilay zavatra anontaniana satria tsy ilaina ny hanaovana izany, na satria tsy fantatra na tsy tadidy io anarana io, na tsy manana anarana ilay zavatra tenenina. Mitovy lenta amin' ny andian-teny ahitana ny fikambanan' ny anarana sy ny mpamaritra manontany ny mpisolo manontany.

Indreto misy ohatra amin' ny mpisolo manontany ao amin' ny teny frantsay: qui, quoi. Indreto misy ohatra amin' ny mpisolo manontany ao amin' ny teny anglisy: who, what, whose. Manana mpisolo manontany koa ny teny malagasy: iza, inona, zovy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]