Filaza mihonohono

Avy amin'i Wikipedia

Ny filaza mihonohono na filaza mampiankina dia endriky ny matoanteny izay enti-milaza fa ny fahamarinan' ny zavatra lazaina dia miankina amin' ny fepetra ka mety ho fepetra mifanohitra amin' ny zavatra mitranga marina izany. Enti-milaza zavatra tsy azo antoka koa io filaza io.

Ao amin' ny fiteny frantsay sy ny fiteny rômana hafa (nipoitra avy amin' ny fiteny latina) dia entina hilazana asa na toetra miseho amin' ny fotoana tsy voafaritra aorian' ny fotoana lasa io endrika io ka manampy ny filazam-potoana ao amin' ny filaza tsotra ka atao hoe filazam-potoana hoavin' ny lasa (frantsay: futur du passé na futur dans le passé).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]