Filaza ifampiankinana
Ny filaza ifampiankinana dia endriky ny matoanteny izay ilazana zavatra heverina fa an' eritreritra na nofinofy fotsiny ka mifanohitra amin' ny filaza tsotra izay enti-manambara zavatra heverina fa misy na mitranga marina.
Ny fiteny ahitana ny filaza ifampiankinana
[hanova | hanova ny fango]Ireto avy ny fiteny ahitana ny filaza ifampiankinana: ny fiteny akadiana, hebreo, grika taloha, sanskrity, alemàna, albaney, irlandey, latina, pôrtogey, espaniôla, italiana, frantsay, romaniana, galoà, gaelika ekôsey, neerlandey, pôlôney, bolgariana, arabo, hongariana sy ny maro hafa koa. Tsy misy filaza ifampiankinana ny fiteny malagasy.
Fiteny frantsay
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe subjonctif ny anaran' io filaza io amin' ny teny frantsay.
Fitanisana matoanteny
[hanova | hanova ny fango]Misy filazam-potoana efatra ny subjoncrif frantsay, dia ny subjonctif présent (ohatra: Que je dorme), ny subjonctif passé (ohatra: Que j'aie dormi), ny subjonctif imparfait (ohatra: Que je dormisse),ary ny subjonctif plus-que-parfait (ohatra: Que j'eusse dormi).
Ohatra
Craindre
- Que je craigne
- Que tu craignes
- Queil craigne
- Que nous craignions
- Quevous craigniez
- Queils craignent.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Ohatra
- Il est possible qu'il vienne.
- Je cherche un hôtel qui ait une piscine.
Fiteny espaniôla
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe subjuntivo ny anaran' io filaza io amin' ny teny espaniôla. Misy filazam-potoana telo fototra ny subjuntivo espaniôla:
- ny presente de subjuntivo (ohatra: Quiero que ella hable conmigo),
- ny pretérito imperfecto de subjuntivo (ohatra: Si ella hablara más despacio, la entendería mejor.)
- ny futuro de subjuntivo (ohatra: El que hablare mal del rey, será castigado)
Fanampin' ireo dia misy filazam-potoana maro hafa mifototra amin' ireo telo ireo, izay manambara fanehoan-javatra efa:
- ny pretérito perfecto de subjuntivo (ohatra: Me alegro de que tú hayas hablado con él.)
- ny pretérito pluscuamperfecto de subjuntivo (ohatra: Si nosotros hubiéramos hablado, no habría habido problema)
- ny futuro perfecto de subjuntivo (ohatra: Si alguien hubiere hablado en contra del rey, será juzgado.)
Fitanisana
[hanova | hanova ny fango]Ohatra
Trabajar
- Yo trabaje
- Tú trabajes
- él trabaje
- Nosotros trabajemos
- Vosotros trabajéis
- Ellos trabajen.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Ohatra
Fiteny anglisy
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe subjunctive (en) ny anaran' io filaza io amin' ny teny anglisy.
Fitanisana
[hanova | hanova ny fango]Ohatra
To speak
- I speak
- You speak
- He/she/it speak (tsy misy -s)
- We speak
- You speak
- They speak
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Present subjunctive
Ohatra
- It is important that she speak.
- I feared that he act so.
- I suggest that he go now.
- It is important that she be on time.
- They demand that we stop the project.
Past subjunctive
- If I were you, I’d apologize.
- I wish it were easier.
- If she knew the answer, she would tell us.
Ny hevitra ampitaina
[hanova | hanova ny fango]Ny hevitra tiana hampitaina amin' ny fampiasana ny filaza ifampiankinana dia maro ka anisan' izany ny firariana, ny fihetseham-po, ny fahafahan' ny zavatra iray hitranga, ny zavatra tsy maitsy tanterahina, ny zavatra mbola tsy mitranga sns. Mifanakaiky hevitra amin' ny filaza mirary ny filaza ifampiankinana rehefa ampiasaina anaty fehezankevitra tsy miankina. Ao amin' ny fiteny sasany dia misolo ny filaza mandidy ny filaza ifampiankinana amin' ny lahara-mpadray anjara am-pehezanteny tsy ahitana endrika mandidy mifadraika aminy.
Matetika dia ny rafi-pehezanteny no mibaiko ny fampiasana ny filaza ifampiankinana. Ao amin' ny fehezankevitra miakina no tena ampiasana azy ka ny hevitry ny mpampiankina fehezankevitra na ny hevitry ny fehezankevitra iankinana no mitaky na tsia io filaza io.
Ny filazam-potoana sy fanehoan-javatra
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fiteny ahitana io filaza io dia ny filazam-potoana ankehitriny sy ny endrika efa (izay lazain' ny mpanoratra fitsipiteny hoe "lasa") mifandraika amin' io no fahita nefa misy fiteny sasany izay ahitana filaza ifampiankinana amin' ny filazam-potoana hoavy (efa sy tsy efa), dia ny fiteny pôrtogey sy ny fiteny espaniôla ary fiteny hafa maro koa.