Fiteny sanskrity
Ny fiteny sanskrity na sanskrita (संस्कृतम / saṃskr̥tam ny anarany amin'ny fiteny indô-eorôpeanina ao amin'ny fianakaviam-piteny indo-arianina any India. Misy teny mbola ampiasain'ny fianakavina Bramàna sy sekoly spiritoalista. Ny manam-pahaizana indiana sasany dia mbola miteny sy mamoaka boky na manao valandresaka amin'io fiteny io. Ny fiteny sanskrity dia ampiasaina indrindra amin'ny lahatsoratra ara-pivavahana hindoa sy bodista ary amin'ny lahatsoratra siantifika. Ny fanisana natao tamin'ny taona 1981 dia nahitana fa miisa 6 100 ny olona miteny sanskrita ary tamin'ny taona 1961 dia tany amin'ny 194 400 ny isan'ny olona nilaza fa miteny sanskrity ka manao azy ho fiteny faharoa. Iray amin'ireo fiteny ofisialy ao India ny fiteny sanskrity.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]
- Wikipedia sanskrity
- [pdf] Fampisehoana ny fiteny sanskrity Archived Novambra 14, 2008 at the Wayback Machine
- [pdf] Raki-bolana frantsay-sanskrity Archived Febroary 27, 2008 at the Wayback Machine nataon'i Gérard Huet
- [pdf] Hanomboka amin'ny sanskrity
- [pdf] Fampidirana amin'ny fiteny sanskrity