Fiteny indô-ariana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny indô-ariana dia ireo fiteny mamorona sampana iray ao amin'ireo fiteny indô-iraniana, izay ao anatin'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ao Azia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo: ao amin'ny roa ampahatelo avaratr'i India, ao Pakistàna, ao amin'ny tapany avaratra-atsinanan'i Afganistàna, ao Bangladesa, ao Nepaly, ao Srilanka ary ao Maldiva.

Ny mpiteny indo-ariana dia antsasaky ny fitambaran'ny mponina miteny indô-eorôpeana, izany hoe any amin'ny 1.500.000.000 any ho any. Ny tena maro mpiteny dia ny fiteny hindostany (fiteny hindy sy fiteny ordo: olona miisa 240.000.000 any ho any), ny fiteny bengaly (olona 230.000.000 any ho any), ny fiteny penjaby (olona 90.000.000 any ho any), ny fiteny maraty (olona 70.000.000 any ho any), ny fiteny gojaraty (olona 45.000.000 any ho any), ny fiteny orià (olona 30.000.000 any ho any), ny fiteny sindy (olona 20.000.000 any ho any), ny fiteny nepaley (olona 14.000.000 any ho any), ny fiteny singaley (olona 16.000.000 any ho any), ny fiteny seraiky (olona 14.000.000 any ho any), ary ny fiteny asamey (olona 13.000.000 any ho any).

Ny fiteny indo-ariana dia zana-bondrona lehibe indrindra amin'ireo fiteny indo-iraniana, izay ahitana koa zana-bondrona roa hafa, dia ny zana-bondron'ireo fiteny iraniana sy ny an'ireo fiteny noristania.