Fiteny gojaraty
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !
Ny fiteny gojaraty (ગુજરાતી / Gujǎrātī) dia fiteny indo-ooropeanina any India. Io ny fiten'ny tompontanin'i Gujarat.
Misy olona 46 tapitrisa no miteny gojaraty any India sy maneran-tany. Ny fiteny Gujarati no tenin-drenin'i Mohandas Gandhi, i Ali Jinnah ary i Sardar Vallabhbhai Patel.
Tantaran'ny fiteny Gujarati[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny gojaraty ankehitriny (manan-tsipelina Gujerati, Gujarathi, Guzratee, Guujaratee, Gujrathi, na Gujerathi) dia fiteny voasintona avy amin'ny fiteny sanskrity. Manan-tsokajy telo ny fiteny gojaraty :
Ny fiteny gojaraty taloha (1100 - 1500)[hanova | hanova ny fango]
Ny fiteny gojaraty taloha dia razan'ny fiteny gojaraty ankehitriny ary ny razan'ny fiteny rajastany. Ny olona niteny io fiteny io dia any avaratra ny faritra Gujarat sy any andrefan'ny faritra Rajastan.