Fitenim-pirenena
Ny fitenim-pirenena dia fiteny ho an' ny vahoaka ao amin' ny firenena iray manokana, fa miovaova ny fandraisana izany arakaraka ny firenena. Any amin' ny firenena sasany, ny fiteny iray dia mety manana ny satan' ny fitenim-pirenena araka ny lalàna na araka ny safidin' ny governemanta. Mety ny lalàna mihitsy no manondro ny fiteny iray ho fitenim-pirenena na tondroina fotsiny toy izany tsy misy lalàna.
Mety mifangaro na tsia amin' ny fiteny ôfisialy ny fitenim-pirenena arakaraky ny firenena. Misy ny fitenim-pirenena izay tsy fiteny ôfisialy (tsy ampiasaina hiraketana ny raharaham-panjakana) ary misy ny fiteny ôfisialy izay tsy fitenim-pirenana (tsy ampiasain' ny mponina amin' ny fifaneraserany andavananadro) ao amin' ny firenena iray.
Misy ny fiteny teratany ao amin' ny firenena iray izay sady tsy voaray ho fitenim-pirenena no tsy fiteny ôfisialin' io firenena io.