Fanehoan-javatra efa sy tsy efa

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Fanehoan-javatra efa[hanova | hanova ny fango]

Ny fanehoan-javatra efa dia milaza fa tapitra tateraka ilay asa na toetra lazain'ny matoanteny ka efa mihoatra ara-potoana ny fangitra voafaritra ka noho izany tsy misy intsony, nefa ny vokany no mety mbola ho eo. Matetika mifangaro amin'ny fanehoan-javatra mifintina ny fanehoan-javatra efa ao amin'ny fiteny tsy manana marika hanavahana izany. Amin'ny fiteny frantsay dia ireo mari-potoana misy matoanteny mpanampy (avoir na etre) no maneho izany.

Fanehoan-javatra tsy efa[hanova | hanova ny fango]

Ny fanehoan-javatra tsy efa dia milaza fa tsy tapitra ilay asa na toetra lazain'ny matoanteny ka mbola tsy mihoatra ara-potoana ny fangitra voafaritra. Matetika mifangaro amin'ny fanehoan-javatra mivelatra ny fanehoan-javatra tsy efa ao amin'ny fiteny tsy manana marika hanavahana izany. Amin'ny fiteny frantsay dia ireo mari-potoana tsotra (tsy misy matoanteny mpanampy) no maneho izany.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]