Fitsipi-pitenenana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fitsipi-pitenenana na fitsipiteny dia fitambaram-pitsipika momba ny fomba tokony hitenenana sy hanoratana ny fiteny iray, ka na amin' ny lafiny endri-teny izany na amin' ny lafiny fandrafetana fehezanteny, eny fa hatramin' ny hevi-teny sy ny feon-teny aza.

Voakasik' izany fitsipika izany:

  • ny fandinihana ny fiteny: ny fomba fampiasana azy sy ny zava-drehetra mahakasika izany;
  • ny fandihinana ny firafitry ny fehezanteny. Ny vondrom-pitsipika, sy ohatra, mifehy ny fampiasana ny fiteny. Fitsipi-pitenenana marina no iantsoana izany, tahaka ny ao amin' ny bokin-tsoratra na boky fianarana;
  • ny rafitra ianaran' ny vahoaka rehefa mitombo.

Rehefa miteny isika, dia ny fitsipi-pitenenan' ny olona nobeazina tamin' ilay fiteny no ampiasaina. Rehefa manoratra, ny tanjona dia ny fampiasana fitsipi-pitenenana marina. Ny teny soratana sy ny teny tenenina dia samy manana ny endriny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.