Fiteny grika taloha

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Fanombohan'ny tantara Odisey (Odisseia)

Ny fiteny grika taloha dia fiteny notenenina tany Grisia tamin' ny Andro Taloha nanomboka tamin' ny 800 tal. J.K. hatramin' ny taona 400 tal. J.K.. Any Eorôpa, ny fiteny grika miaraka amin' ny fiteny latina no fiteny taloha mbola ampiasaina indrindra ho an' ny mpiteny eorôpeana ankehitriny. Ireo fiteny mampiasa teny grika taloha dia ny fiteny latina sy ireo fiteny avy amin' ny fiteny latina (fiteny frantsay, fiteny anglisy, fiteny espaniôla, fiteny italiana).

Betsaka ireo firokin' ny fiteny grika taloha, izany hoe ny endika isam-paritra isehoan' io fiteny io, fa heverin' ny mpahay siansa rehetra fa ny fiteny atikianina no madio indrindra amin' ireo firoky ireo. Niparitadritaka manerana ireo tany manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mediteranea ny fiteny grika taloha. Nanaparitaka ilay fiteny tany Azia i Aleksandra Lehibe, ary elaela taoriana mandritra ny Fanjankambe Rômana dia nianatra fiteny grika taloha ny Rômana ao amin' io fanjakambe io, ohatr' ireo mpianatra mianatra fiteny anglisy ankehitriny.

Ireo tononkalo lehibe malaza indrindra amin' ny fiteny grika taloha dia notononin' i Hômera.

Miova araka ny fandrosoan' ny fotaona ny fiteny rehetra, ary niova imbetsaka ny fiteny grika mandritry ny taonjato 25 manasaraka ny fiteny grika taloha sy ny fiteny grika ankehitriny. Ankehitriny, eken' ny mpandinika fiteny rehetra fa tamin' ny taona 453 ny fiteny grika ankehitriny no nanomboka nisy. Izany hoe ny fiteny grika ankehitriny dia vokatry ny fivoaran' ny fiteny grika taloha nandritry ny taonjato 25.

Firoky[hanova | hanova ny fango]

Ireo firoky ny fiteny grika taloha

Nandritra ny Andro Taloha dia tsy nanana firoky tokana ny fiteny grika taloha. Ny iônianina-atikita, firokin' i Atenay, no firokim-piteny grika taloha tena fantatra ankehitriny. Io no fototry ny fiteny grika ankehitriny ary tamin' io firoky io no nanoratan' ireo mpanoratra toa an-dry Platô sy Aristophanes.

Fanoratana[hanova | hanova ny fango]

Ny soratra voalohany indrindra nanoratana ny fiteny grika taloha dia ny abidy Lineaire B, silabera tsy misy fifandraisana amin' ny abidy grika taloha na ankehitriny, nanoratana ny firokin' ny fiteny grika nampiasaina tany Grisy an-kaontinenta ary tany Kreta tamin' ny taonjato faha-14 sy faha-13 tal. J. K.

Endrika[hanova | hanova ny fango]

Fitsipi-pitenenana[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.