Aller au contenu

Fiteny hindy fijiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny hindy fijiana, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny hindostany fijiana, dia fiteny ampiasain' ny ankamaroan' ny olom-pirenena any Fijy manam-piaviana indiana. Avy amin' ny fiteny aoady indrindra mifangaro singa avy amin' ny fiteny bôjpory izy io. Na dia eo aza io anarany io, ny fifandraisany amin' ny fiteny hindostany (fitambaran' ny fiteny hindy-ordo manontolo) dia somary lavitra. Misy voanteny avy amin' ny fiteny indiana sy amin' ny fiteny fijiana ary amin' ny fiteny anglisy koa ny ao.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]