Hankany amin'ny vontoatiny

Fitenim-paritra malagasy

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny fitenim-paritra malagasy: miloko mavo ny faritra itenenana fitemim-paritra tandefana fa miloko volomboasary kosa ny faritra itenenana fitenim-paritra tatsinanana.

Ny fitenim-paritra malagasy dia endriky ny fiteny malagasy tenenina isaky ny faritra eto Madagasikara izay mitondra ny anaran' ny foko na vondrom-poko miteny azy indrindra. Mizara roa lehibe ny fitenim-paritra malagasy, dia ny fitenim-paritra tatsinanana sy ny fitenim-paritra tandrefana. Marihina fa tsy mifanandrify tanteraka amin' ny atao hoe "foko" ny ftenim-paritra malagasy, araka ny fandinihan' ny mpahay teny azy, na dia mitondra anaram-poko aza ireo fitenim-paritra ireo.

Fanasokajiana ny fitenim-paritra malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Misokajy roa ny fitenim-paritra malagasy ka ao ireo fitenim-paritra tatsinanana (izay ahitana ny fiteny merina) sy ireo fitenim-paritra tandrefana (izay ahitana ny fiteny sakalava); fanampin' ireo dia misy ireo fitenim-paritra lazaina hoe "mandray roa". Ireo fiteny any andrefana sy atsimon' ny Nosy dia fitenim-paritra tandrefana fa ireo ao amin' ny tany avo afovoany (lembalemba afovoany) sy ny ankamaroan' ny fiteny any avaratra dia fitenim-paritra tatsinanana. Ny Ethnologue dia mirakitra karazam-pitenim-paritra malagasy miisa 12 izay heveriny ho fiteny miavaka.

Fitenim-paritra tatsinanana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fitenim-paritra tatsinanana dia:

Fitenim-paritra tandrefana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fitenim-paritra tandrefana dia:

Fanampin' izany, ny ny fiteny kibosy (41 700 mpiteny) dia tenenina any amin' ny Mayotte any amin' ny tambanosin' i Kômôro, any avaratra-andrefan' i Madagasikara.

Fahasamihafan' ny fitenim-paritra

[hanova | hanova ny fango]

Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan' isan' ny fahasamihafan' ny tenim-paritra.

Lanjan' isan' ny fitoviam-boambolana amin' ny tenim-paritra
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18
1Merina1008181929286788079687168707061776961
2Temoro8110078798078818888676971726961767365
3Betsimisaraka8178100847877807875777065666254749661
4Sihanaka9279841008681767977726967686659726858
5Betsileo-1[m 1]9280788610088778179687471757161797162
6Betsileo-2[m 2]8678778188100778077677174797466827566
7Antambahoaka7881807677771007474696664646052676456
8Antesaka8088787981807410089677071737262767263
9Zafisoro7988757779777489100636868727161767163
10Tsimihety6867777268676967631007561646354686456
11Tankarana7169706974716670687510065686959706756
12Vezo6871656771746471686165100847464778069
13Mahafaly7072666875796473726468841008068838676
14Sakalava-1[m 3]7069626671746072716369748010082797566
15Sakalava-2[m 4]6161545961665262625459646882100706763
16Bara7776747279826876766870778379701008574
17Tandroy-1[m 5]6973696871756472716467808675678510083
18Tandroy-2[m 6]6165615862665663635656697666687483100
  1. Ambositra
  2. Fianarantsoa
  3. Morondava
  4. Belon' i Tsiribihina
  5. Masinoro, Ambalavao
  6. Antanimora

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]