Masikoro

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Zazavavy masikoro

Ny Masikoro dia foko malagasy any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara izay mivelona indrindra amin' ny fiompiana sy ny fambolena. Anisan' ireo vondrom-poko ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Madagasikara ny Masikoro. Manakaiky ny Vezo izy nefa miavaka amin' izy ireo: hafa tsy tahaka ny an' ny Vezo ny fomba fiainany ary mifamatotra amin' ny Fanjakan' i Fiherenana ny tantarany.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Araka an' i Paul Ottino, ny anarana hoe Masikoro dia avy amin' ny teny banto tanzaniana hoe shokora, izay midika hoe "tavy", "hatsaka"[1].

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taonjato faha-16 dia nisy vondon' olona maromaro mpiompy sy mpamboly izay niparitaka tamin' ny faritry ny tanety atsimo amin' i Madagasikara izay niforonan' ny Masikoro. Nitondra ireto anarana ireto ireo vondrona ireo: Ambolavaha, Antambaha, Antandavaka, Tambỳ, Temaro ary Tetembola[2]. Tafapetraka ny fanjakan' ny Andrevola teo anelanelan' i Onilahy sy i Mangoky tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17 izay nantsoina hoe Fanjakan' i Fiherenana taty aoriana[3]. Olona samihafa faritra niaviana izy ireo nefa niara-nonina tamin' ny faritra iray. Niady tamin' ny Mahafaly, notarihin' ny mpajakan' ny Maroserana, ny fanjakan' ny Andrevola tao atsimon' i Onilahy. Tamin' ny taonjato faha-18 dia nikambana ireo fanjakana roa ireo hiatrehana ny fampitahoran' ny fanjakana bara avy ao atsinanana. Natosiky ny Bara miankadrefana hatrany amin' ny Lakandranon' i Môzambika ny Masikoro. Tamin' izany no nivakisan' ny fanjakana ho antoko efatra mpifanandrina[4]. I Tompoemana, izay nonina tao Manombo, no mpanjaka masikoro farany.

Ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Miisa any amin' ny 90 000 ny Masikoro tany amin' ny taona 2000 tany ho any[5]. Mpiompy sy mpamboly ny Masikoro. Miompy omby sy ondry ary osy izy ireo. Mamboly katsaka sy mangahazo ary oviala (fakana tavolo). Talohan' ny fahaleovantenan' i Madagasikara dia nonina ambanivohitra ny Masikoro fa ankehitriny dia maro ireo izay monina an-drenibohitra, indrindra amn' ny vakin-tanàna sasany ao Toliara.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ny foko eto Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Ny vahoaka hafa eto Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Boky azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

  • Astuti, Rita (23 Marsa 1995). People of the Sea: Identity and Descent Among the Vezo of Madagascar. Cambridge University Press. ISBN 978-0-521-43350-1.
  • Blanc-Pamard C., 2002. "La forêt et l’arbre en pays Masikoro (Madagascar) : un paradoxe environnemental ?" Bois et forêts des Tropiques, vol. 271: 5-22.
  • Bradt, Hilary (2011). Madagascar. Bradt Travel Guides. p. 203. ISBN 978-1-84162-341-2.
  • Esoavelomandroso Manase, 1981. "La région du Fiheregna à la veille de la conquête française". Omaly sy Anio 13-14.
  • Goedefroit, Sophie (1998). A l'ouest de Madagascar: les Sakalava du Menabe. Karthala Editions. ISBN 978-2-86537-825-8.
  • Jean-Michel Lebigre et Francis Veriza, Petite encyclopédie du Grand Sud de Madagascar, Presses Universitaires de Bordeaux & LGPA-Editions, Coll. A la Croisée des Sciences, 2016.
  • Jeanne Dina, 1995. "Le Fiherena pendant le protectorat français". Talily, 1/1995.
  • Lavondès H., 1967. Bekoropaka, quelques aspects de la vie familiale et sociale d'un village malgache. Paris, Mouton.
  • Lavondès H., 1981. "Mba ho velo... " (Pour qu'ils vivent) Pouvoirs traditionnels dans un royaume du Sud-Ouest malgache (Nord du Fiherenana). Omaly sy Anio, 1981 no 13-14: 193-207.
  • Lee, Richard B.; Daly, Richard Heywood (1999). The Cambridge Encyclopedia of Hunters and Gatherers. Cambridge University Press. p. 217. ISBN 978-0-521-57109-8.
  • Paul Ottino, 1963. Les économies paysannes malgaches du Bas-Mangoky. Paris, Berger-Levrault, Coll. L’Homme d’Outre-Mer, 376 p.
  • Paul Ottino, 1998. Les champs de l'ancestralité à Madagascar. Parenté, alliance et patrimoine. Paris, Karthala, Coll. Hommes et Sociétés, 685 p
  • Powe, Edward Llewellyn (1994). The Lore of Madagascar. Armchair Travelers, a subsidiary of Dan Aiki Publications, Paterson, N.J. p. 204.
  • Raharinjanahary L. & Velonandro (éd.), 1996. Proverbes malgaches en dialecte masikoro. Paris, l’Harmattan, Repères pour Madagascar, 324 p.
  • Raharinjanahary L., 1996. Tapatono - Joutes poétiques et devinettes des Masikoro du Sud-Ouest de Madagascar. Paris, l’Harmattan, Repères pour Madagascar, 145 p.
  • Razafiarivony M., 1985. "Le Savatsy chez les Masikoro d'aujourd'hui". Cahiers Ethnologiques, Université de Bordeaux II, no 6: 16-23.
  • Walen, A. (1881). The Antananarvio Annual and Madagascar Magazine (Public domain ed.). Press of the London missionary society.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Paul Ottino, 1998. Les champs de l'ancestralité à Madagascar. Parenté, alliance et patrimoine. Paris, Karthala, Coll. Hommes et Sociétés, 685 p
  2. Jean-Michel Lebigre et Francis Veriza, Petite encyclopédie du Grand Sud de Madagascar, Presses Universitaires de Bordeaux & LGPA-Editions, Coll. A la Croisée des Sciences, 2016, p. 132.
  3. Jeanne Dina, 1995. Le Fiherena pendant le protectorat français. Talily, 1/1995 : 29-42.
  4. Esoavelomandroso Manase, 1981. "La région du Fiheregna à la veille de la conquête française". Omaly sy Anio 13-14: 177-186.
  5. International Encyclopedia of Linguistics: AAVE - Esperanto. Oxford University Press. 2003. p. 205. ISBN 978-0-19-513977-8.