Antanosy
Ny Antanosy na Tanosy dia vondrom-poko ao amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Anosy izay misy an' i Tolagnaro, eo anelanelan' ny renirano Masianaka sy ny ony Mandrare no misy azy betsaka indrindra, nefa ahitana azy koa ny tanàna toa an' i Bezaha sy Vatolatsaka (ao amin' ny distrikan' i Betioky-Atsimo) ary any Bereketa (ao amin' ny distrikan' i Sakaraha) any amin' ny faritra Atsimo-Andrefana. I Tolagnaro no tanàn-dehiben' izy ireo. Nifindra any taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy. ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina. Tombanana ho 360 000 ny Antanosy tamin' ny taona 2013[1]. Tamin' ny taona 2020 izy ireo dia notombanan' ny Joshua Project ho 913 000[2].
Ny maha izy azy ny Antanosy
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Faritra Anosy ao atsimo-atsinanan' i Madagasikara no tena fonenan' ny Antanosy, na dia eo aza ireo izay mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, izay nifindran' ny sasany tamin' ny Antanosy taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy[3][4].
Tamin' ny taonjato faha-19 dia nibodo ny ampahan-tanin' ny Mahafaly sy ny an' ny Bara ny Antanosy, hatrany amin' ny ony Onilahy any atsimo-andrefana, noho ny fahaiza-manaony. Vokatry ny fahatongavan' ny tafika merina tany Anosy izany fifindrà-monina izany[4].
Niisa 360 000 any ho any ny Antanosy tamin' ny taona 2013[5]. 2 % amin' ny vahoaka malagasy eo ho eo ny Antanosy, ka anisan' ny vondrom-poko madinika eto Madagasikara amin' ny isan' ny mponina sy amin' ny velaran' ny tany nonenan' ny razambeny[6][7].
Fiarahamonina
[hanova | hanova ny fango]Nifindra monina avy any avaratra tokony ho 150–200 taona lasa izay ny razamben' ny Antanosy ankehitriny.
Ny zana-poko mandrafitra ilay vondrona
[hanova | hanova ny fango]Raha zaraina telo fotsiny, araka ny voalazan' ny Ministeran' ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (Ministère de l'Agriculture, de l'Elevage et de la Pêche -- MAEP, 2003), dia izao ireo vondrona ireo:
- ny Antavaratra any Manantenina (fifangaroan' ny Antanosy sy ny Antesaka);
- ireo monina amin' ny lohasaha Antambolo ao amin' ny faritra Ranomafana sy Enaniliha
- ny Antatsimo mipetraka any amin' ny tapany atsimo-andrefan' Anosy, manomboka any Ranopiso ka hatrany amin' ny onin' i Mandrare.
Raha zaraina dimy, dia ao:
- ny Antavaratra na Tavaratra, ao amin' ny faritr' i Manantenina sy ny manodidina (atao hoe Temanantenina iireo izay monina na avy ao Manantenina fa ireo ao avaratra kokoa dia atao hoe Tavaratra);
- ny Antambolo na Tambolo, ao amin' ny faritr' i Ranomafana sy Enaniliha;
- ny Antatsimo na Tatsimo, izay monina ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny faritra Anosy, avy eo Ranopiso hatrany amin' ny reniranon' i Mandrare (any Amboasary-Atsimo);
- ny Antambato na Tambato, monina ao amin' ny faritr' i Mahatalaky sy i Manafiafy;
- ny Antanosy na Tanosy, ao amin' ny faritr' i Fanjahira.
Fomba iray amaritana ny Antanosy koa ny fifantohana amin' ny Zafiraminia tonga teny Anosy tamin' ny taonjato faha-16, izay nandresy ny mponina izay efa nipetraka teo, ary ny tarana-mpanjakany taloha dia voafehin’ ny fasana antsoina hoe Enosiavaratsy (Manarivo), Enosiatsimo (Andromira) ary Samby Anosy (Ifarantsa).
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Tarana-mpanjaka zafiraminia
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ ny taonjato faha-16 dia tonga tany Anosy ny Zafiraminia (taranak' i Raminia) ary nifindra tany amin’ ny lohasahan' i Efaho rehefa resin' ny Antambahoaka tany avaratra[8]. Efa tamin’ ny taonjato faha-13 tany ho any no niaina teto Madagasikara ny Zafiraminia ary nifangaro tamin' ny Malagasy,izay efa nonina teto talohany; tsy nanana andrim-pivavahana silamo izy ireo na dia nitazona ny soratra arabo sy ny fomba amam-panao ara-piaraha-monina maro. Nampiditra ny fampiasana trano hazo ny Zafiraminia, nanana omby ho mariky ny fananan-karena, ary nanangana tarana-mpanjaka naharitra 200 taona.
Ny fifandraisana tamin' ny Eorôpeana
[hanova | hanova ny fango]Raha nifindra tany Anosy avy any avaratra ny Zafiraminia dia nanomboka tonga avy any atsimo ny Eorôpeana. Tamin' ny 10 Aogositra 1500, ny sambo pôrtogey - izay nisaraka tamin' ny Armadas da Índia faha-2 - no Eorôpeana voalohany nahita an' i Madagasikara, tany amin' ny morontsiraka atsimo akaikin' i Fort-Dauphin ankehitriny. Nantsoin' izy ireo hoe Ilha de São Lourenço (Île Saint-Laurent amin' ny teny frantsay) i Madagasikara. Nisy sambo vaky dimy, fara fahakeliny, teo amin' io morontsiraka io teo anelanelan' ny taona 1504 sy 1507, ary ny sasany tamin' ny Pôrtogey sisa velona no nanorina ny rova Tranovato, trano vato mirefy 10 m2 teo amin' ny havoana iray 9 km any andrefan’ i Fort-Dauphin ankehitriny. Tamin' ny 4 Aogositra 1508 dia tonga nanamita iraka ara-barotra pôrtogey i Diogo Lopes de Sequeira, ary nanavotra olona roa avy amin' ny sambo, izay niasa ho mpandika teny malagasy.
Tamin' ny taona 1613 dia nitsidika ny rova vato tao Tranovato, izay nipetrahan' ny mpanjaka teo an-toerana, Chambanga, ny sambo pôrtogey nankaty Madagasikara. Nifanarahana ny fifaneken' ny fisakaizana, nosokafana ny raharaham-barotra. Nisy ny tsy fifanarahana momba ny fanerena ny mpanjaka Chambanga handefa an' i Drian-Ramaka zanany hianatra momba ny fivavahana katôlika any Goa (any India). Lasa tsy natoky i Chambanga rehefa nanomboka nitady volamena sy volafotsy ny Pôrtogey; nampiato ny raharaham-barotra izy, niezaka ny hamoana izany tany Anosy. Nitohy ny varotra rehefa nandimby an-drainy i Drian-Ramaka, ary nanaja ny fivavahan-drazana fa tsy nanaiky ny fivavahana katôlika.
Fiorenam-ponenan' ny Frantsay
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ ny taona 1604 dia nanomboka nandefa sambo nankaty Madagasikara ny mpanjaka frantsay Henri IV mba hifaninana amin' ny zanatany hôlandey any amin' ny Golden Coast (na Costa do Ouro amin' ny teny pôrtogey, "Morontsiraky ny Volamena") any Afrika (ampahany amin' i Ganà ankehitriny). Niorina teny Manafiafy ao Anosy ny fonenan' ny frantsay. Betsaka ny maty tamin' ny volana voalohany, angamba noho ny tazomoka sy ny fivalanan-dra disanteria tany amin’ ny faritra misy honahona, ary nafindra 40 km atsimo-andrefana mankany amin' ny saikinosin' i Taolanaro ilay tanàna ary nanorenan' izy ireo ilay nantsoina tatỳ aoriana hoe Fort Dauphin, zanatany frantsay voalohany aty amin' ny Ranomasimbe Indiana.
Hitan' ny Frantsay ho azo atao namana i Drian-Ramaka; teo amin' ny sisin' ny tanànan' ny Zafiraminia ny toeram-ponenan' izy ireo. Nanambady vehivavy andriana zafindraminia i Jacques de Pronis, governora voalohany tao amin' ny Compagnie française des Indes orientales. Na izany aza, dia nanao izay nahatezitra ny voanjo i Pronis ka nafatotr' izy tamin' ny rojo vy; taorian' ny famonjena azy dia noroahina tany amin' ny nosy La Réunion ny mpikomy - na Frantsay na Malagasy. I Étienne de Flacourt no nandimby azy, ary nikatsaka ny hanangana zanatany maromaro teto Madagasikara mba hamatsiana indray ny sambo eorôpeana mandeha any amin' ny faritra India Atsinanana, hahazoana sakafo avy amin' ny Malagasy, na amin' ny alalan' ny varotra izany na an-keriny, ary ny nisy koa ny fivarotana aika na angitra (Indigofera tinctoria) sy paraky ary fary hamatsiana ny fanitarana ny fanjanahantany.
Nitady izay handresena an' Anosy ny governora nifandimby tao Fort-Dauphin, tamin' ny tapaky ny taonjato faha-17, tamin' ny fandrobana ny fahefan' ny mpanjaka zafiraminia, izay niray hina tamin' ny andron' i Drian Ramaka (ary tatỳ aoriana tamin' ny andron' Andriampanolahy zanany). Nisy ny hetsika miaramila maromaro izay nandroba sy nandoro tanàna, namono sy nanandevo ny Malagasy ary nangalatra omby an' aliny. Famonoana olona sy fanapoizinana ary fisamborana sy fandoroana an' i Fort-Dauphin no nasetrin' ny Malagasy izany. Tamin' ny taona 1674, taorian' ny nananganana indroa ny Compagnie française des Indes orientales, noho ny tsy fahampian' ny tombom-barotra, dia nialan' ny Frantsay i Fort-Dauphin ary nilaozany koa ny zanatany.
Fitondrana tompomenakely
[hanova | hanova ny fango]Nitohy ny disadisa tany Anosy taorian' ny fandroahana ny Frantsay. Rehefa nialokaloka tao Fort-Dauphin ny jiolahin-tsambo vaky sambo tamin' ny taona 1697, dia nanendry an' i Abraham Samuel, izay safiotra avy any Martinique, mba ho mpanjaka mpitarika azy ireo. Nitarika jiolahin-tsambo tamin' hiady tsy tapaka tamin' i Diamarang Diamera, mpanjaka antanosy, i Samuel, mandra-pahafatiny tamin' ny 1705. Niezaka nifehy ny tany indray ny Zafiraminia, nefa tsy nahomby; niatrika fikomiana maromaro izy ireo. Nihena ny isan' ny tanànan' ny voanjo sy ny habeny, ary nifindra tany anaty tanety izy ireo.
Tonga nanarina an' i Fort-Dauphin ho toby famatsiana ilay Frantsay atao hoe Louis Laurent de Maudave tamin' ny taona 1768. Nisy mpitondra niisa 35 tao amin' ny faritr' Anosy, izay tsy nifanaraka fa niady ny ankamaroany, ary tsy nisy nitondra olona mihoatra ny 3 000. Nanao sonia fifanarahana 30 tamin’ ny mpanjaka teo an-toerana i Louis Laurent de Maudave, nanao fifanekena tamin' ny fanomezana basy azy ireo (basy maherin' ny 10 000 sy vanja 50 taonina no namidy). Nofoanan' ny fitondram-panjakana frantsay anefa ny Compagnie française des Indes orientales tamin' ny taona nanaraka, ary nilaozana ny toeram-pivarotan' i Maudave. Tokony ho tamin' ny fotoana niaingan' ny Frantsay dia nianjera koa ny fanjakan' ny Zafiraminia, izay ravan' ny ady nanomboka tamin' ny tapaky ny tampolo 1600.
Tamin' ny taona 1819 dia nosokafan' ny Frantsay indray i Fort Dauphin, rehefa avy nifampiraharaha tamin' ny lehiben' ny Zafiraminia, atao hoe Rabefania. Nila ny fiarovan' ny Frantsay tamin' ny Fanjakan' Imerina, izay nikatsaka ny hanapaka an' i Madagasikara manontolo, i Rabefania. Nanohy nanondrana omby i Fort-Dauphin, ary lasa toeram-panandevozana ihany koa sady nanao fitanehana toaka.
Fanapahan' ny Merina
[hanova | hanova ny fango]Nisy miaramilan' ny Fanjakan' Imerina, izay niisa 3 000 hatramin' ny 4 000, nidina ny morontsirak' Anosy ary nahafaka an' i Fort-Dauphin tamin' ny 14 Marsa 1825, ka tamin' izany no nifehy ny morontsiraka atsinanan’ i Madagasikara manontolo ny Fanjakan' Imerina. Miaramila 800 avy any Imerina mirongo basy no nifehy ny fitaterana an-dranomasina sy ny raharaham-barotra niaraka amin' ny miaramila tamin' ny tanàna hafa amorontsiraka. Nanohitra ny fomba feno habibiana nataon' ny Merina anefa ny ampahany be tamin' Anosy ka tsy nanoa fa nifehy tena, raha ny tena marina, ny mponina tany.
Adin' ny Frantsay sy ny Malagasy
[hanova | hanova ny fango]Nanafika an' i Madagasikara i Frantsa tamin' ny taona 1883, mba hanoherana ny fitombon' ny herin' ny Britanika aty amin' ny Ranomasimbe Indiana. Tany avaratr' i Madagasikara no tena nifantohan' ity fanirahana tafika voalohany teto Madagasikara ity, izay ivon' ny fahefan' Imerina. Izany no nahatonga ny Antanosy hikomy sy haka an' i Fort-Dauphin, na dia nalain' ny Merina aza izany tamin' ny taona 1884. Tamin' ny taona 1885 dia nodarohan' ny sambo mpiady frantsay baomba ilay rova. Namerina namaritra ny faritra aty Afrika feheziny i Britaina Lehibe sy i Frantsa; lasa prôtektôrata frantsay i Madagasikara. Avy eo dia nanao fanirahana miaramila faharoa aty Madagasikara tamin’ ny taona 1894 ny Frantsay.
Zanatany frantsay
[hanova | hanova ny fango]Lasa zanatany frantsay tamin' ny fomba ôfisialy i Madagasikara tamin' ny 6 Aogositra 1896, ary ny miaramila frantsay no nifehy an' i Fort-Dauphin. Nisy tsy fandriam-pahalemana goavana tany amin' ny faritra hafa any amin' ny tapa,ny atsimon' i Madagasikara. Notarihin' ny mpanjaka antanosy Rabefagnatrika, izay mpifaninana tamin' ny mpanjakan' i Manambaro atao hoe Rabefialy, izay nanohana ny Frantsay, ny fanoherana tao anivon' Anosy. Resin' ny Frantsay ny faritra atsimon' i Madagasikara tamin' ny taona 1898, tamin' ny alalan' ny fomba fanoheram-pikomiana novolavolaina tany Indôsina.
Niteraka fikomiana kely sy fanafihana, izay niafara tamin’ ny fikomiana faobe tamin' ny taona 1904–1905, ny fitondrana henjana sy ny tsy firaharahana ny kolontsaina malagasy. Nitarika mpikomy nianatsimo nankany Anosy i Rabefagnatrika, mpanjakan' ny Antanosy, ary tamin' ny volana Desambra 1904 dia nahafaka an' i Esira sy i Fort-Dauphin ary i Manambaro, tamin’ ny fandrobana izay niely patrana. Amin' ny ankapobeny dia nanohana ny fikomiana ny Prôtestanta, ary nisy fiangonana katôlika maromaro nodoran' ny mpikomy.
Nihamafy ny fihetseham-po nasiônalista sy mpanohana ny fahaleovantena teto Madagasikara taorian' ny fiverenan' ny lehilahy izay noterena hanao miaramila, ny fanohizana ny asa an-terivozona, ary ny tsy fisian' ny fanavaozana nampanantenain' i Charles de Gaulle. Rehefa tsy nety nanohana ny dingana demôkratika mankany amin' ny fahaleovantenan' i Madagasikara ny governemanta frantsay, dia nahazo vahana ny mpitarika ny tolona ho an' ny fahaleovantena ary nanomboka ny fitroaran' ny Malagasy tamin' ny taona 1947–1949.
Repoblikan' i Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Nahazo fahaleovan-tena tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka i Madagasikara tamin' ny taona 1958. Notoherin' ny fitroaran' ny tantsaha tany amin' ny Faritanin' i Toliara (anisan' izany Anosy) ny fahefana ara-pôlitikan' ny fitondrana vaovao, tamin' ny taona 1971. Nitarika ho amin' ny fanangana ny Repoblika Demôkratika Malagasy tamin' ny taona 1975 ny fihetsiketsehan' ny mpianatra narahin' ny fitokonana faobe sy ny rotaka.
Fiteny
[hanova | hanova ny fango]Ny ankamaroan' ny Antanosy dia mampiasa ny fiteny antanosy, izay fitenim-paritra malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana avy amin' ny fiteny baritô any atsimon' i Bôrneô. Miteny antanosy ihany koa ny Antanosy ao amin' ny tanàna toa an' i Bezaha sy Vatolatsaka (distrikan' i Betioky-Atsimo) ary any Bereketa (distrikan' i Sakaraha). Ity fiteny ity no fiteny malagasy nosoratana voalohany amin' ny abidy latina (vavaka kristiana amin' ny fiteny antanosy)..
Toekarena
[hanova | hanova ny fango]Jono sy ny fihazana
[hanova | hanova ny fango]Mpiandriaka sy mpanjono ny Antanosy monina amorotsiraka. Maro koa no mampiasa sy mivarotra vokatra nalaina tany an' ala, anisan' izany ny bozaka hatao tafon-trano, ny tantely, ny hena vokatry ny fihazana, ny voankazo sy ny holatra, ary zavamaniry fanao fanafody[7].
Fambolena sy fiompiana
[hanova | hanova ny fango]Ny ankamaroan' ny Antanosy dia mivelona amin' ny fiompiana ary mivarotra ny vokatry ny famboleny, anisan' izany ny vary sy ny mangahazo[7] sy mpiompy omby ireo izay monina an-tanety lavitra ny ranomasina. Raha ampy ny rotsak' orana, dia ny vary no vokatra voalohany amin' ny sakafo. Sakafo tena ilaina ho an’ ireo izay tsy mahavidy vary mandritra ny taona ny mangahazo, anisan' izany ny ankamaroan' ny Malagasy any an-toerana. Kely ny vokatra avy amin' ny ankamaroan' ny voly, indrindra noho ny fomba fambolena mbola nentim-paharazana. Ny kafe (avy amin’ ny faritra Ranomafana indrindraindrindra), ny trongatsy (Catharanthus roseus), ny taretra (Agave sisalana) ary ny dipoavatra dia (Schinus) no voly fanondrana efatra lehibe ao amin' ny faritra Anosy.
Taozavatra
[hanova | hanova ny fango]Misy koa ny mpanefy sy ny mpanamboatra trano amin' ny hazo.
Varotra
[hanova | hanova ny fango]Anisan' ny fiveloman' ny olona koa ny fivarotana ny vokatry ny fitrandrahany ny zavamaniry sy ny biby any an' ala (tantely, hazo, zavamaniry fanao raokandro). Fanao matetika mandritra ny tsena isan-kerinandro eo an-toerana ny varotra, satria monina any amin' ny tanàna ambanivohitra lavitra vitsy mponina ny ankamaroan' ny mponina[9].
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ny fivavahan-drazana
[hanova | hanova ny fango]Toy ny faritra maro eto Madagasikara dia maro ny Antanosy mandala ny fivavahan-drazana izay iantsoana an' i Zanahary sy anajana ny razana. Mbola maro ny Kristiana ao Anosy manaja ny finoana nentim-paharazanana, indrindra ny fady samihafa, izay mifangaro ihany koa amin' ny fanao mozilmàna izay niditra tao efa taonjato maro lasa.
Ny kristianisma
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taompolo 1610 dia nisy fiangonana naorina ho an' ny Zezoita izay natao hanombohana ny fitoriana ny filazantsara. Tsy nanaiky ny handefasana an' i Drian-Ramaka zanany lahy ho any Goa (any India) hianatra momba ny fivavahana katôlika ny mpanjaka Chambanga. Nanaja ny fivavahan-drazana i Drian-Ramaka, rehefa nandimby an-drainy, fa tsy nanaiky ny fivavahana katôlika. Vokatry ny tsy fahombiazan' ny Zezoita (Malagasy iray monja no natao batemy nandritra ny herintaona) dia niala tao Anosy izy ireo tamin' ny taona 1617. Tamin' ny tapaky ny taonjato faha-17 dia notarihin' ny Lazarista (Congrégation de la Mission) ny asa fitoriana. Tamin’ ny taona 1869, taorian' ny fahazoan' ny Fanjakan' Imerina ny fanapahana an' Anosy, dia niova ho kristiana ny mpanjakavavy merina Ranavalona II. Nisy fiangonana naorina tao Fort-Dauphin ary tsy maintsy nanatrika fivavahana ny mponina tao. Ny evanjelista avy amin' ny London Missionary Society no nitarika ny fiangonana tatỳ aoriana. Taorian' ny naha lasa zanatany frantsay an' i Madagasikara dia niseho ny fikomiana goavana tany atsimon' i Madagasikara, nefa resy ny faritra atsimon' i Madagasikara tamin' ny taona 1898. Taorian’ ilay fikomiana dia nakaton' ny Frantsay ny sekoly loterana sy ny fiangonana loterana, izay noheveriny ho mpiray tsikombakomba amin' ny mpikomy.
Fombafomba amin' ny fandevenana
[hanova | hanova ny fango]Manangana tsangambato na orimbato ny Antanosy mba hahatsiarovany ny havany maty, na dia efa milevina am-pasana, ka matetika amin' ny toerana malaky talaky mason' ny besinimaro no anorenana izany, toy ny toerana amoron-dalana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Vahoaka eto Madagasikara
Ny foko eto Madagasikara
- Antambahoaka - Antandroy - Antankarana - Antanosy - Antefasy - Antemoro - Antesaka - Bara - Beosy - Betsileo - Betsimisaraka - Bezanozano - Mahafaly - Makoa - Masikoro - Merina - Mikea - Sakalava - Sihanaka - Tanala - Tsimihety - Vezo - Zafimaniry - Zafisoro.
Ny vahoaka hafa eto Madagasikara
Samihafa
Tahirin-kevitra
[hanova | hanova ny fango]- Lahatsoratra amin'ny teny frantsay mahakasika ny Antanosy, Bara ary Betsileo
- Lahatsoratra amin'ny teny frantsay mahakasika fanjakana Antanosy Archived Janoary 16, 2017 at the Wayback Machine
Boky azo anovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]- Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115. ISBN 978-1-84162-197-5.
- Clément Sambo, "Destins astrologiques et liberté humaine", Études Océan Indien, 16, Paris : INALCO, 1993, pp. 1-29.
- Clément Sambo, "Pose les devinettes ? Les contes brefs des enfants malgaches", in : J. Koubi, dir., Enfance et Société d’Asie du Sud-Est, Paris : L’Harmattan, 1994.
- Clément Sambo, Aspects philosophiques de l’astrologie traditionnelle antanosy. [Mémoire de maîtrise en philosophie], 1983, 170 p. CUR, Toliara, Département de Philosophie.
- Clément Sambo, Folklore oral des enfants malgaches. Paris : INALCO, 285 p. [« Travaux et Documents », 4], 1987.
- Clément Sambo, Langages non conventionnels à Madagascar. Argot des jeunes et proverbes gaillards. Paris : Karthala, 2001, 400 p.
- Clément Sambo, Oralité et tradition des enfants malgaches. [Thèse de Doctorat Nouveau Régime] soutenu à l’Institut National des Langues et Civilisations Orientales, Paris. 2 volumes, 300 + 200 p. 1990.
- Clément Sambo, Tradition et oralité à Madagascar, Synthèse des travaux en vue de l’Habilitation à Diriger des Recherches (HDR), 737 p, 2005.
- Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge. ISBN 9781135963415.
- Guillaume et Alfred Grandidier, Histoire physique, naturelle et politique de Madagascar, vol. 5, Histoire politique et coloniale, t. 3, Histoire des populations autres que les Merina, fasc. 1, Betsileo, Betsimisaraka, Antanosy ..., Imprimerie officielle, Tananarive, 1948, 255 p.
- Jean-Jacques Rabenirina, Le rituel mobilisateur de la circoncision (Savatsy ou cérémonie de circoncision chez les Antanosy de Soamanonga), Université de Bordeaux 2, 1998, 429 p. (thèse)
- Ogot, Bethwell A. (1992). Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century. Paris: UNESCO. ISBN 9789231017117.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge. ISBN 9781135963415.
- ↑ "Antanosy in Madagascar", in Joshua Project
- ↑ Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115. ISBN 978-1-84162-197-5.
- ↑ 4,0 et 4,1 Ogot, Bethwell A. (1992). Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century. Paris: UNESCO.
- ↑ Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge. p. .
- ↑ Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115.
- ↑ 7,0 7,1 et 7,2 Lyon, Linda M. (2003). Antanosy Odyssey II: Application of the use and knowledge of non-domesticated medicinal plants on conservation among the people of Madagascar. Doctoral dissertation, Washington State University.[Rohy maty]
- ↑ Domenichini-Ramiaramanana, B. (1988). "Madagascar". In M. Elfasi (Ed.), General history of Africa * III: Africa from the seventh to the eleventh century. Paris: UNESCO.
- ↑ Lyon, Linda M. (2003). Antanosy Odyssey II: Application of the use and knowledge of non-domesticated medicinal plants on conservation among the people of Madagascar. Doctoral dissertation, Washington State University.