Ranavalona II

Avy amin'i Wikipedia
Ranavalona II

Ranavalona II, teraka tamin' ny taona 1829 ary maty tamin' ny 13 Jolay 1883, dia mpanjakavavy nanjaka teo Madagasikara tamin' ny 1868 hatramin' ny 1883.

Fotoana nifanandrinan' ny Frantsay sy ny Britanika izany ka ny teto Madagasikara dia ny fivavahana kristiana prôtestanta sy katôlika no nisehoan' izany.

Fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin' ny taona 1829 Ranavalona II. Fotoana nifanandrinan' ny Frantsay sy ny Britanika izany ka ny teto Madagasikara dia ny fivavahana kristiana prôtestanta sy katôlika no nisehoan' izany.

Ramoma, zanak' olona mpiray tam-po amin' ny mpanjakavavy Rasoaherina, no nandray ny fiandrianana tamin' ny anarana Ranavalona II ny 3 Septambra 1868. Namoaka ny didy momba ny fandriampahalemana ary namerina ny fivavahana kristianina izy.. Ramoma no anaran' ilay mpanjakavavy talohan' ny nahalasa mpanjaka azy.

Fiakarany teo amin' ny fitondrana[hanova | hanova ny fango]

Niakatra teo amin' ny fitondrana izy tamin' ny nahafatesan-dRasoherina. Nanambady an-dRainilaiarivony izay efa vadin' ny mpanjakavavy nodimbiasany izy.

Fivavaham-panjakana ny prôtestatisma[hanova | hanova ny fango]

Nahazo laka ny fivavahana prôtestanta tamin' ny androny ary lasa fivavaham-panjakana izany satria natao batisa prôtestanta ny mpanjakavavy. Nodorany ny sampy ka nosoloany ny Baiboly.

Fantaram-panjakana sy fampandrian-tany[hanova | hanova ny fango]

Nihamaro ka naharatra hatrany amin' ny 30 000 any ho any ny vatan-dehilahy tao amin' ny tafiny izay nampandry tany tany amin' ny Sakalava sy ny hafa koa.

Fiafarany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1883 no nahafatesany sady nandimiasan-dRanavalona III azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Boky[hanova | hanova ny fango]

  • Acquier, Jean-Louis (1997). Architectures de Madagascar. Berlin: Berger-Levrault. ISBN 978-2-7003-1169-3
  • Chiswell, Alfred (1893). "A visit to the Queen, Madagascar". The Newberry house magazine, Volume 2. Elsevier. pp. 459–466. Retrieved 19 December 2010.
  • Cousins, William Edward. Madagascar of to-day: A sketch of the island, with chapters on its past. The Religious Tract Society, 1895.
  • Dominique Ranaivoson, Madagascar : dictionnaire des personnalités historiques, Sépia, Saint-Maur-des-Fossés ; Tsipika, Antananarivo, 2011 (2e éd.), p. 151 (ISBN 978-2-84280-101-4).
  • Drapeyron, L. Revue de géographie, Volumes 38–39. C. Delagrave, 1896.
  • Frémigacci, Jean (1999). "Le Rova de Tananarive: Destruction d'un lieu saint ou constitution d'une référence identitaire?". In Chrétien, Jean-Pierre (ed.). Histoire d'Afrique (in French). Paris: Editions Karthala. p. 427. ISBN 978-2-86537-904-0. Retrieved 19 December 2010.
  • Gade, Daniel W. (1996). "Deforestation and its effects in Highland Madagascar". Mountain Research and Development. 16 (2): 101–116. doi:10.2307/3674005. JSTOR 3674005.
  • Nicolas Martin, Symboles royaux et rivalités à la cour de Radama II, Antananarivo, 2021.
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.