Fitoriana ny filazantsara

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny fivavahana kristiana, ny fitoriana ny filazantsara na ny fitoriana ny vaovao mahafaly na ny fitoriana ny evanjely fampahafantarana ny fiainanana sy ny asa ary ny hafatr' i Jesoa Kristy izay voarakitra ao amin' ny Filazantsara na Vaovao Mahafaly na Evanjely, indrindra ny finoana kristiana ny amin' ny fitsanganana amin' ny maty, dia ny an' ny Zanak' Andriamanitra ary avy eo ny an' ny olombelona.

Ny Kristiana izay manokan-tena amin' ny fitoriana ny filazantsara dia matetika fantatra amin' ny anarana hoe evanjelista na evanjelistra, na any amin' ny fiagonana misy azy izy ireo na misiônera mitety faritra, na dia misy aza ny fahazarana ilazana ny olona toy izany ho misiônera amin' io tranga farany io.

Ny fiangonana kristiana sasany dia mihevitra ny evanjelista ho eo amin' ny toeran' ny mpitarika; mety ho hita mitory amin' ny fivoriana lehibe na amin' ny andraikitra maha mpitantana izy ireo.