Hankany amin'ny vontoatiny

Fary

Avy amin'i Wikipedia
Tanim-pary
Tahom-pary

Ny fary dia zavamaniry isan-karazany famboly, volena indrindra hahazoana siramamy izay alaina avy amin' ny tahony. Ao amin' ny vondron-karazana Saccharum, ao amin' ny fianakaviana Poaceae na Gramineae, sy ny zana-pianakaviana Panicoideae ireo zavamaniry ireo. Tsy fary avokoa anefa ny karazana rehetra ao amin' ny vondron-karazana Saccharum. Eo anelanelan' ny 2 sy 6 m ny halavan' ny fary ary mety mahatratra 5 sm ny savainony rehefa lehibe.

Teo amin' ny tantara dia efatra no karazana fary novolen' ny olombelona voalohany avy eny amin' ny natiora, indrindra:

Ankehitriny ny Saccharum officinarum dia ampivadina amin' ny Saccharum spontaneum, amin' ny Saccharum robustum, amin' ny Saccharum sinense, ary amin' ny Saccharum barberi, mba hahazoana vokatra tsara kokoa. Nanampy azy ireo ny vondron-karazana mifanakaiky aminy (Miscanthus sy Narenga ary Erianthus). Ny fary no miantoka ny famokarana siramamy betsaka indrindra (70 hatramin' ny 80 %). Anamboarana alkaola (etanôly) koa ny ranom-pary.

Mihoatra ny 1,9 lavitrisa taonina (raha mbola vaovao) na 570 tapitrisa taonina eo ho eo (rehefa maina) ny habetsaky ny famokarana fary isan-taona, ka mahatonga azy io ho iray amin' ny zavamaniry ambolena betsaka indrindra maneran-tany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]