Hankany amin'ny vontoatiny

Poaceae

Avy amin'i Wikipedia

Poaceae
Katsaka
Fanasokajiana ara-tsiansa
Fanjakana:
Klady:
Klady:
Klady:
Klady:
Filaharana:
Klady:
Fianakaviana:
Poaceae

Ny Poaceae na Gramineae dia fianakavian-javamaniry mamony, tokan-dravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Poales izay ahitana karazany miisa 12 000 mitsinjara amin' ny vondron-karazana miisa 780. Izy io, raha ny isan' ny karazana ao aminy no jerena, dia fianakaviana fahadimy amin' ny zavamaniry mamony, aorian' ny Asteraceae, ny Orchidaceae, ny Fabaceae ary ny Rubiaceae. Maro aminy no karazana bozaka sy voamadinika. Mety manana tsiraka mafy ny sasany toy ny volotsangana. Mandrakotra mihoatra ny 40 % amin' ny velaran' ny Tany ny Poaceae, afa-tsy any Grinlandy sy any Antarktika izay tsy ahitana azy. Eny amin' ny kijana sy ny hivoka no tena ahitana izany. Fahita koa amin' ny toerana sasany toy ny faritra mando sy ny faritra misy ala ary ny faritry ny tondrà ny Poaceae.

Fianakavian-javamaniry manan-danja eo amin' ny lafiny toekarena ny Poaceae, izay miantoka ny foto-tsakafo ho an' ny olombelona, amin' ny alalan' ny voamadinika (toy ny vary, ny varimbazaha, ny katsaka, ny ôrza, ny ampembambazaha) na ny fary. Izy ireo koa no miantoka ny ankabetsahan' ny vilona hohanin' ny biby fiompy, sy miainoka koa ny akora ilaina amin' ny indostria na amin' ny asa tanana toy ny volotsangana isan-karazany sy ny bararata ary ny maro hafa ahazoana mololo sy biômasy (anamboarana etanôla). Ambolena hamoronana ahi-maitso sy kianja fanatanjahan-tena (gôlfa) na hiadiana amin' ny fikao-tany (Ammophila arenaria, Chrysopogon zizanioides, Chrysopogon nigritanus, Chrysopogon nemoralis) ny Poaceae. Anisan' ny Poaceae ihany koa ny ahidratsy maro manimba ny fambolena toy ny karazany dimy: ny Cynodon dactylon (fandrotrarana na kindresy) ny Echinochloa colona (akatambivy), ny Eleusine indica (tsipipina), ny Sorghum halepense (ampembimbazaha), ary ny Imperata cylindrica (antsoro na tenina) izay anisan' ny karazan' ahitra folo ratsy indrindra mneran-tany.

Voaresaka ao amin' ny Testamenta Vaovao ny "tsimparifary" (Lolium temulentum), izay ahidratsy hita any amin' ny tany ambolena varimbazaha (Matio 13:24-30 sy 36-38) ao amin' ny "Fanoharana momba ny tsimparifary sy ny vary". Atao hoe zizania izy io amin' ny teny latina fa ζιζάνιον / zizanion kosa amin' ny teny grika ary niavian' ny teny frantsay hoe zizanie (ao amin' ny hoe "semer la zizanie", izay midika hoe "mamboly fanakorontanana".

Zana-pianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny zana-pianakaviana ao amin' ny Poaceae araka an' i Soreng et al., 2015:

Vondron-karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Eto Madagasikara dia ahitana vondron-karazana eo anelanelan' ny 130 sy 160:

  • Acrachne Chiov. (Chloridoideae - )
  • Agrostis L. (Pooideae -)
  • Alloteropsis J.Presl (Panicoideae -)
  • Andropogon L. (Panicoideae -)
  • Anthoxanthum L. (Pooideae -)
  • Aristida L. (Aristidoideae -indraindray tafiditra ao ny Sartidia araka ny voalazan' ny mpanoratra sasany)
  • Arthraxon P.Beauv. (Panicoideae -)
  • Arundinella Raddi (Panicoideae -)
  • Arundo L. (Arundinoideae -)
  • Avena L. (Pooideae -)
  • Axonopus P.Beauv. (Panicoideae -)
  • Bambusa Schreb. (Bambusoideae -)
  • Bothriochloa Kuntze (Panicoideae -)
  • Brachiaria (Trin.) Griseb. (Panicoideae - tafiditra ao ny Urochloa sy Moorochloa)
  • Brachypodium P.Beauv. (Pooideae -)
  • Bromus L. (Pooideae -)
  • Calamagrostis Adans. (Pooideae -)
  • Camusiella A.Camus (= Setaria P.Beauv. Panicoideae -)
  • Capillipedium Stapf (Panicoideae - tafiditra ao ny Megastachya araka ny voalazan' ny mpanoratra sasany)
  • Cathariostachys S.Dransf. (Bambusoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Cenchrus L. (Panicoideae - tafiditra ao ankehitriny ny Pennisetum Rich.)
  • Centotheca Desv. (Panicoideae - )
  • Cephalostachyum Munro (Bambusoideae -)
  • Chasechloa A.Camus (Panicoideae - )
  • Chloris Sw. (Chloridoideae - tafiditra ao ankehitriny ny Daknopholis Clayton)
  • Chrysopogon Trin. (Panicoideae - )
  • Coelachne R.Br. (Panicoideae - )
  • Coix L. (Panicoideae - )
  • Craspedorhachis Benth. (Chloridoideae -)
  • Ctenium Panz. (Chloridoideae -)
  • Cymbopogon Spreng. (Panicoideae - )
  • Cynodon Rich. (Chloridoideae -)
  • Cyphochlaena Hack. (Panicoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Cyphonanthus Zuloaga & Morrone (Panicoideae - )
  • Cyrtococcum Stapf (Panicoideae - )
  • Dactyloctenium Willd. (Chloridoideae -)
  • Danthonia DC. (Danthonioideae -)
  • Decaryella A.Camus (Panicoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Decaryochloa A.Camus (Bambusoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Dendrocalamus Nees (Bambusoideae -)
  • Dichanthium Willemet (Panicoideae - )
  • Digitaria Haller (Panicoideae - )
  • Dimeria R.Br. (Panicoideae - )
  • Diplachne P.Beauv. (Chloridoideae - tafiditra ao ny ampahany amin' ny Leptochloa nefa matetika avahana amin' ity)
  • Echinochloa P.Beauv. (Panicoideae - )
  • Eleusine Gaertn. (Chloridoideae - )
  • Elionurus Humb. & Bonpl. ex Willd. (Panicoideae - )
  • Elymandra Stapf (Panicoideae - )
  • Enneapogon Desv. ex P.Beauv. (Chloridoideae - )
  • Entolasia Stapf (Panicoideae - )
  • Eragrostis Wolf (Chloridoideae - tafiditra ao ankehitriny ny Eragrostiella Bor sy ny karazana sasany ao amin' ny Daknopholis Clayton p.p.)
  • Eriochloa Kunth (Panicoideae - )
  • Eriochrysis P.Beauv. (Panicoideae - )
  • Euclasta Franch. (Panicoideae - )
  • Festuca L. (Pooideae - tafiditra ao ny Pseudobromus araka ny voalazan' ny mpanoratra sasany)
  • Hackelochloa Kuntze (Panicoideae - nampidirina ao amin' ny Mnesithea Kuntze na ao amin' ny Rottboellia C.E.Hubb.)
  • Helictotrichon Bess. ex Schult. & Schult.f. (Pooideae -)
  • Hemarthria R.Br. (Panicoideae - )
  • Heteropholis C.E.Hubb. (Panicoideae - nampidirina ao amin' ny Mnesithea Kuntze na ao amin' ny Rottboellia C.E.Hubb.)
  • Heteropogon Pers. (Panicoideae - )
  • Hickelia A.Camus (Bambusoideae )
  • Hitchcockella A.Camus (Bambusoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Humbertochloa A.Camus & Stapf (Bambusoideae )
  • Hylebates Chippind. (Panicoideae - )
  • Hymenachne P.Beauv. (Panicoideae - )
  • Hyparrhenia Andersson ex E.Fourn. (Panicoideae - )
  • Hyperthelia Clayton (Panicoideae - )
  • Imperata Cirillo (Panicoideae - )
  • Isachne R.Br. (Micrairoideae - )
  • Isalus Phipps (Panicoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara, napetraka tao amin' ny Tristachya)
  • Ischaemum L. (Panicoideae - )
  • Koeleria Pers. (Pooideae - )
  • Lasiorhachis (Stapf) Stapf (Panicoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Lecomtella A.Camus (Lecomtelloideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Leersia Sw. (Ehrhartoideae - tafiditra ao ankehitriny ny Potamophila R.Br. p.p. ho an' ny karazana malagasy)
  • Leptaspis R.Br. (Pharoideae - )
  • Leptocarydion Hochst. ex Benth. (Chloridoideae - )
  • Leptochloa P.Beauv. (Chloridoideae - lasa kely noho ny fanasaraha, tafiditra ao ny Diplachne)
  • Lepturus R.Br. (Chloridoideae - )
  • Loudetia Steud. (Panicoideae - )
  • Maltebrunia Kunth (Ehrhartoideae - )
  • Megastachya (Benth.) W.F.Snow & G.P.Simon (= Capillipedium - Panicoideae - )
  • Melinis P.Beauv. (Panicoideae - tafiditra ao ankehitriny ny Rhynchelytrum Nees)
  • Merxmuellera Conert (Danthonioideae -)
  • Microchloa R.Br. (Chloridoideae - )
  • Microstegium Nees (Panicoideae - )
  • Miscanthus Andersson (Panicoideae - nampidirina ao amin' ny Saccharum L.)
  • Mnesithea Kunth (Panicoideae - tafiditra ao ankehitriny ny Hackelochloa Kuntze sy ny Heteropholis C.E.Hubb.)
  • Moorochloa Veldkamp (Panicoideae - tafiditra ao ny karazana sasany tao amin' ny Brachiaria)
  • Nastus Juss. (Bambusoideae -)
  • Neostapfiella A.Camus (Chloridoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Neyraudia Hook.f. (Chloridoideae - )
  • Ochlandra Thwaites (Bambusoideae -)
  • Oldeania Stapf (Bambusoideae )
  • Olyra L. (Bambusoideae -)
  • Oplismenus P.Beauv. (Panicoideae - )
  • Oryza L. (Ehrhartoideae - )
  • Oryzidium C.E.Hubb. & Schweick. (Panicoideae - )
  • Oxyrhachis Pilg. (Panicoideae - )
  • Panicum L. (Panicoideae - tafiditra ao ny Megathyrsus sy ny Trichanthecium amin' ny heviny malalaka; ny Megathyrsus dia matetika atokana na ampidirina eto arakaraka ny mpanoratra)
  • Paspalidium Stapf (= Setaria P.Beauv. - Panicoideae - )
  • Paspalum L. (Panicoideae - )
  • Pentameris Beauv. (Danthonioideae -)
  • Pentaschistis (Nees) Spach (Danthonioideae -)
  • Perotis Aiton (Chloridoideae - )
  • Perrierbambus A.Camus (Bambusoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Phragmites Adans. (Arundinoideae -)
  • Poa L. (Pooideae - tafiditra ao ny Pseudobromus K.Schum. araka ny lazain' ny mpanoratra sasany)
  • Poecilostachys Hack. (Panicoideae - )
  • Pogonarthria Stapf (Chloridoideae - )
  • Pogonatherum P.Beauv. (Panicoideae - )
  • Pseudechinolaena Stapf (Panicoideae - )
  • Pseudolasiacis (A.Camus) A.Camus (Panicoideae - )
  • Rhytachne Desv. ex Ham. (Panicoideae - )
  • Rottboellia L.f. (Panicoideae - tafiditra ao ny Hackelochloa sy ny Heteropholis araka ny mpanoratra sasany)
  • Saccharum L. (Panicoideae - tafiditra ao ny Miscanthus araka ny lazain' ny mpanoratra sasany)
  • Sacciolepis Nash (Panicoideae - )
  • Sartidia De Winter (Arundinoideae -)
  • Schizachyrium Nees (Panicoideae - )
  • Schizostachyum Nees (Bambusoideae -)
  • Sclerodactylon Stapf (Chloridoideae - )
  • Sehima Forssk. (Panicoideae - )
  • Setaria P.Beauv. (Panicoideae - tafiditra ao ankehitriny ny Camusiella A.Camus sy ny Paspalidium Stapf koa indraindray)
  • Sirochloa S.Dransf. (Bambusoideae )
  • Sokinochloa S.Dransf. (Bambusoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Sorghastrum Nash (Panicoideae - )
  • Sorghum Moench (Panicoideae - )
  • Sporobolus R.Br. (Chloridoideae - )
  • Stenotaphrum Trin. (Panicoideae - )
  • Stipagrostis Nees (Aristidoideae -)
  • Styppeiochloa De Winter (Aristidoideae -)
  • Tetrapogon Desf. (Chloridoideae - )
  • Themeda Forssk. (Panicoideae - )
  • Thuarea Pers. (Panicoideae - )
  • Toliara Judz. (Chloridoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Trachypogon Nees (Panicoideae - )
  • Tragus Haller (Chloridoideae - )
  • Trichanthecium Zuloaga & Morrone (Panicoideae - nosarahina tamin' ny Panicum)
  • Tricholaena Schrad. (Panicoideae - )
  • Trichopteryx Nees (Panicoideae - )
  • Tripogon Schult. & Schult.f. (Chloridoideae - )
  • Tristachya Nees (Panicoideae - )
  • Triticum L. (Pooideae - )
  • Urelytrum Hack. (Panicoideae - )
  • Urochloa P.Beauv. (Panicoideae - tafiditra ao ny ampahany be amin' ny Brachiaria (Trin.) Griseb.)
  • Valiha S.Dransf. (Bambusoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Viguierella A.Camus (Chloridoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Vulpia C.C.Gmel. (Pooideae - )
  • Yvesia A.Camus (Panicoideae - tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
  • Zea L. (Panicoideae - )
  • Zoysia Willd. (Chloridoideae - )

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]