Hankany amin'ny vontoatiny

Echinochloa

Avy amin'i Wikipedia
Echinochloa crus-galli

Ny Echinochloa dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae, zana-pianakaviana Panicoideae, maniry any amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany sy toetany antonony mafana, izay ahitana karazana miisa 30 hatramin' ny 40. Zavamaniry ahitra izy ireo ary mety maniry isan-taona na mandavan-taona, mitsangana na misandrahaka ny tahony, izay mety mahatratra 3,6 m.

Echinochloa colona.

Misy ny karazana volena mba hohanim-boa (ny ampembambazaha) na hohanin' ny biby fiompy. Ny tena fantatra dia ny Echinochloa esculentaany Azia Atsinanana, ny Echinochloa frumentacea any Azia Atsimo ary ny Echinochloa stagnina ao Afrika Andrefana. Ahi-dratsy ho an' ny fambolena ny karazana hafa. Ny Echinochloa crus-galli no fantatra indrindra amin' izany, noho izy tsy mora fongorina. Mitovy endrika amin' ny vary volena (Oryza sativa) ny Echinochloa oryzoides ka sarotra ny miava azy. Ireo zavamaniry ireo (indrindra ny Echinochloa crus-galli sy ny Echinochloa pyramidalis ary ny Echinochloa stagnina) sy ny tahaka azy hafa (ny Panicum maximum sy ny Sacciolepis africana), dia antsoina amin' ny teny malagasy hoe: ahibary, ahibava, ahidrano, ahilava, farimanga, karanga, osaosa, sarivary, songolo, tsimparifary, tsiparifary, sns.

Indreto ny sasany amin' ny karazany hita eto Madagasikara sy ny anarana iantsoana azy amin' ny teny malagasy:

  • Echinochloa colona: ahibary, akatambivy, varimbivihy, voloandro;
  • Echinochloa crus-galli: ahibary, ahidrano, karanga, osaosa, tsimparifarifotsy, tsimparifary;
  • Echinochloa pyramidalis: ahibava, ahidrano, ahilava, karanga, sarivary, songolo, tsimparifarimanja, tsimparifary;
  • Echinochloa stagnina: ahibary, ahidrano, farimanga, karanga, tsimparifarimanga, tsimparifarimena, tsimparifary

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]