Hankany amin'ny vontoatiny

Sacciolepis

Avy amin'i Wikipedia
Vonin' ny Sacciolepis indica

Ny Sacciolepis dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae, zana-pianakaviana Panicoideae, maniry amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany sy toetany antonony mafana, indrindra aty Afrika. Ahitana azy ireo koa ny any Azia sy ny any Aostralia ary ny any Amerika. Misy karazana miisa 25 izy io. Zavamaniry ahitra izy ireo izay mety maniry isan-taona na mandavan-taona, maniry an-drano, mety mahatratra 200 sm ny haavony.

Ny karazana fantatra indrindra amin' ny teny malagasy hoe tsimparifary na tsiparifary, dia ny ''Sacciolepis africana'' C.E. Tsy io irery anefa no antsoin' ny Malagasy amin' io narana hoe tsimparifary na tsiparifary io.

Indreto ny sasany amin' ny karazany hita eto Madagasikara sy ny anarana iantsoana azy amin' ny teny malagasy:

  • Sacciolepis africana: tsimparifary, tsiparifary;
  • Sacciolepis curvata: ahidronono

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]