Panicoideae

Ny Panicoideae dia zana-pianakaviana ao amin' ny fianakaviana Poaceae, ahitana karazana miisa 3 500 any ho any, fahita indrindra amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany sy toetany antonony mafana. Ao amin' ity zana-pianakaviana ity no misy ny sasany amin' ny zavamaniry volena indrindra, toy ny fary sy ny katsaka ary ny ampemby.
Ny fôtôsentezy amin' ny C4 dia nivoatra imbetsaka amin' ny fomba tsy miankina tao amin' io fianakaviana io, izay azo inoana fa nanana razambe nadraikitra karbônina C3.
Ny foko ao amin' ilay zana-pianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Ny fanasokajiana filôjenetika ankehitriny dia mizara ny Panicoideae ho foko roa ambin' ny folo. Ny foko telo lehibe indrindra, ny Paniceae sy ny Paspaleae ary ny Andropogoneae, miaraka amin' ny Arundinelleae kely, no fototra ao amin' ilay zana-pianakaviana.
Indreto ny foko 13 ao amin' ny zana-pianakaviana Panicoideae:
- Chasmanthieae
- Zeugiteae
- Steyermarkochloeae
- Tristachyideae
- Centotheceae
- Cyperochloeae
- Thysanolaeneae
- Gynerieae
- Paniceae
- Lecomtelleae
- Paspaleae
- Andropogoneae
- Arundinelleae