Aller au contenu

Tonga (zavamaniry)

Avy amin'i Wikipedia
Tonga (Catharanthus roseus)

Ny tonga na trongatsy na vonenina dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae. Ity zavamaniry ity dia maniry isan-taona ary tsy hita firy raha tsy eto Madagasikara. Catharanthus roseus ny anarany ara-tsiansa. Any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly no ambolena be dia be izy io. Fantatra indrindra noho ny fisian' ny vinkristinina sy vinblastinina, môlekiola ampiasaina amin' ny fitsaboana simika amin' ny homamiadana maro.

Anarany ara-tsiansa

[hanova | hanova ny fango]

Maro ny anaran' ity zavamaniry ity ara-tsiansa, dia ireto tanisaina manaraka ireto:

  • Vinca rosea L. basionyme
  • Ammocallis rosea (L.) Small
  • Lochnera rosea (L.) Reichenb. ex Spach
  • Pervinca rosea (L.) Gaterau
  • Vinca speciosa Salisb.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Fampiasana azy amin' ny fitsaboana

[hanova | hanova ny fango]

Fitsaboana aretin' olombelona

[hanova | hanova ny fango]
Voninkazo vonenina fotsy

Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy, ny vonenina na tonga dia ampiasaina amin' ny fitanehana azy mba hitsaboana olana amin' ny aretin' aty sy ny fiakaran' ny tosi-dra ary hanamaivanana ny diabeta. Amin' ny endrika tsindrona na kapsiola, ny tonga dia ampiasaina amin' ny raokandro hitsaboana ny homamiadan' ny nono sy ny homamiadan' ny vozon-tranonjaza.

Ao amin' ny fitsaboana nentim-paharazana sinoa sy ny fitsaboana Ayurveda (indiana), ity zavamaniry ity dia nampiasaina hitsaboana aretina maro, anisan' izany ny diabeta sy ny tazomoka ary ny aretin' i Hodgkin. Ny singa miasa (vinblastinina sy vinkristinina) alaina ao amin' ilay zavamaniry dia antimitôtika, izay ahafahana mamokatra fanafody iadiana amin' ny homamiadana, indrindra ny limfôma (hodgkinianina sy tsy hodgkinianina) ary homamiadan' ny ra mahery vaika isan-karazany.

Ny fitanehana ny faritra samihafa amin' ny Catharanthus roseus sy ny fisotroana izany dia fantatra ho mampihena be loatra ny fatran' ny gliokôzy ao amin' ny ra (hipôglisemia). Alaina ihany koa izy io mba hitsaboana ny tazo dengy sy ny aretim-pivalanana ary ny aretin-koditra.

Mety hampidi-doza ity zavamaniry ity raha atelina. Mety ho hahavarivery saina izy io, ary voatanisa (amin' ny anarana hoe Vinca rosea) ao amin' ny "Louisiana State Act 159". Tahaka ny ankamaroan' ny molekiola misy hetsika antitomôraly, ny alkalôida binera ao amin' ny trongatsy dia misy poizina betsaka.

Fanandramana amin' ny fitsaboana zavamaniry

[hanova | hanova ny fango]

Ny C. roseus dia ampiasaina hitsaboana ny aretin' ny zavamaniry amin' ny alalan' ny fanandramana azy ho toy ny mpampiantrano ny fitôplasma (bekteria miteraka aretin' ny zavamaniry). Mora voan' ny anamaroan' ny fitôplasma mantsy ity karazan-javamaniry ity, ary matetika manana soritr' aretina miavaka toy ny filôdia sy fihenan' ny haben' ny ravina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]