Hankany amin'ny vontoatiny

Loteranisma eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Raozin' i Lotera

Ny loteranisma eto Madagaskara dia firehan' ny prôtestantisma izay milaza ho manaraka ny fampianaran' i Martin Lotera eto amin' ny Nosy, izay miseho amin' ny alalan' ny fiangonana maromaro, ka ny lehibe indrindra, raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina, dia ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Samy manaraka ny fototra maha fiangonana loterana azy izy ireo na dia misy ny fahasamihafana sy ny tsy fitovian-kevitra.

Ny fiangonana loterana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Loterana Malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), dia fiangonana vokatry ny fitoriana ny Filazantsara nataon' ireo misionera avy tamin' ny Misiona Nôrveziana (anglisy: Norwegian Missionary Society - NMS; nôrveziana: Det Norske Misjonsselskap) nanomboka tamin' ny taona 1866 sy ny Misiona Amerikana (Americana Lutheran Church - ALC) nanomboka tamin' ny taona 1888. Tamin' ny taona 1950 anefa vao nahazo fahaleovan-tena io fiangonana io.

Ny Fiangonana Loterana Malagasy Nohavaozina

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Loterana Malagasy Nohavaozina (FLMN) dia iray amin' ny sampan' ny loteranisma misy eto Madagasikara izay tafasaraka tamin' ny FLM tany amin' ny taompolo 1970 noho ny tsy fifanarahana momba ny fomba fitantanana ny fiangonana.Matanjaka io fiangonana io ao amin' ny distrikan' Antanifotsy sy ao Antananarivo. Ahitana azy koa ny any Toliara sy any Mahanoro. Tamin' ny taona 1970 no niorenany[1].

Ny Fiangonana Fifohazam-Panahy Loterana Malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Fifohazam-Panahy Loterana Malagasy (FFPLM) naorin' ilay mpiandry atao hoe Neny Olga, izay milaza ny tenany fa mpandova ny mpiandry Volahavana Germaine (atao hoe Mama Nenilava). Ao Anolaka any Fianarantsoa no misy ny foibeny. Tamin' ny 13 Avrily 2013 no nijoro ara-panjakana ny FFPLM raha tany amin' ny taona 2008 tany no efa nisy ny tsy fifanarahana tamin' ny FLM[2].

Ny Fiangonana Protestanta Loterana Malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Protestanta Loterana Malagasy (FPLM) dia fiangonana loterana miorina eto Madagasikara. Ao Ankofafa any Fianarantsoa no misy ny foibeny.

Ny Fiangonana Loterana Sinoa eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Loterana Sinoa dia fiangonana loterana anatanterahan' ireo teratany sinoa loterana ny fanompoam-pivavahany eto Madagasikara.

Ny Fiangonana Fifohazana Soatanana Malagasy

[hanova | hanova ny fango]

NY Fifohazana Soatanàna dia teraka tamin'ny namohazan'i Jesosy Kristy an'i Dada Rainisoalambo tamin'ny taona 1894. Marihina fa i Dada Rainisoalambo (1840-1904) dia olona nobeazin'ny misiona anglisy na LMS. Natao batisa ary Mpandray ny Fanasan'ny Tompo tamin'izany LMS izany izy.Nohon'ny fahitan'ireo misionery ny fahakingantsainan'i Dada Rainisoalambo dia notendrena ho katekista na solompitandrina izy fa tsy nanaiky. Hatramin'ny taona 1894 izay namohazan'i Jesosy azy dia nifantoka betsaka tamin'ny asam-pifohazana izy. Tamin'ny voalohany dia nifantoka betsaka tamin'ny fanofanana sy ny fanirahana an'ireo Iraka amin'ny fitoriana ny filazantsara ary ny fanasitranana izy. Fa tamin'ny taona 1902 kosa izy no nanao batisa ary nampandray ny fanasan'i Tompo izany hoe nampananganana Fiangonana i Dada Rainisoalambo. Efa taty aoriana vao nitondra ny anarana hoe Fiangonan'ny Fifohazan'ny Mpianatrin'ny Tompo Soatanàna eto Madagasikara na FFSM io Fiangonana io. Hatramin'io 1902 io izany dia nisy fiangonana 2 izany tao Soatanàna dia ny Fiangonana norveziana ary ny FFSM. Fiaraha-monina tsy nisy raorao no teo amin'ny fiangonana roa tonta hatr'aty amin'ny taona 1950.

Boky azo anovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]
  • Sophie Blanchy, Jean-Aimé Rakotoarisoa, Philippe Beaujar, Chantal Radimilahy (dir.), Les dieux au service du peuple, Paris, Éditions Karthala, coll. « Religions contemporaines », 2006, 536 p.
  • E. Escande, **Les disciples du Seigneur (un mouvement d’évangélisation indigène à Madagascar), les Cahiers missionnaires n°8, Paris, Société des Missions Evangéliques, 1926,
  • Tantaran'ny Fifohazana, 1945 (production interne du Fifohazana Soatanàna)
  • A. Thunen, Fifohazana eto Madagasikara, Imprimerie de la Mission Norvégienne, 1934, Tananarive

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ino vaovao? "Fiangonana loterana nohavaozina Tolira: Mankalaza ny jobily faha-40 taonany"
  2. movies.codedwap.com Neny Olga Archived Oktobra 2, 2020 at the Wayback Machine