Raozin' i Lotera

Avy amin'i Wikipedia
Raozin' i Lotera

Ny Raozin' i Lotera dia sarina raozy, izay karazana tombokase na mari-piandrianana izay napetak' i Martin Lotera tamin' ireo asasorany nanombola tamin' ny taoa 1519, izay nampiasainy mba hamantarana ny fahamarinan' ny maha azy ireo asasoratra ireo. Maneho ny famintinana ny finoan' i Lotera koa io sarina raozy io, ka ankehitriny dia lasa sary famantarana ho an' ny loteranisma.

Izao no fanazavana atolotry ny Fiangonana Loterana Malagasy:

"Ny hazo fijaliana mainty manambara ny fijaliana sy ny fahafatesan' i Jesosy ho famonjena ny olona. ny sary fo miloko lena dia isika olombelona manaiky an' i Jesosy ho mpamonjy. Ny sary raozy fotsy manambara fahadiovana sy fanantenana satria olom-boavonjy. Ny loko manga kosa dia ny lanitra, ho lovantsika ny fiaianana manadrakizay. Ny boribory manodidina miloko ranom-bolamena manambara ilay satroboninahitra hatolotr' Andriamanitra ny olona voavonjy mino an' i Jesosy any an-danitra amin' ny andro farany."[1]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Ny hevitry ny sary sy ny loko eo amin' ny raozin' i Lotera", in flm-foibe.org