Aller au contenu

Tazomoka

Avy amin'i Wikipedia
Plasmôdiôma
Moka anôfela

Ny tazomoka dia areti-mifindra vokatry ny katsentsitra ao amin' ny vondron-karazana atao hoe plasmôdiôma (Plasmodium), miparitaka amin' ny alalan' ny kaikitry ny vavin' ny karazana moka anôfela sasany.

Olona 229 tapitrisa no marary ary 409 000 no maty tamin' ny taona 2019. Ny tazomoka no mbola aretina lehibe indrindra vokatry ny katsentsitra, izay mahazo ny zaza latsaky ny dimy taona sy ny vehivavy bevohoka indrindra. Ny 95 % amin' ny tranga dia any amin' ny firenena sivy amby roapolo, indrindra any Afrika atsimon' i Sahara (27 % any Nizerià, 12 % any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, 5 % any Oganda, 4 % any Môzambika).

Ny katsentsitry ny tazomoka dia mifindra indrindra amin' ny alina, amin' ny alalan' ny kaikitry ny moka vavy ao amin' ny vondron-karazana Anopheles, izay mitondra ilay katsentsitra rehefa avy nanaikitra olona voan' ny tazomoka. Mamely ny selan' atin' ilay marary ny katsentsitra, avy eo mivezivezy ao amin' ny ra, mameno ny selamena ary mamotika azy ireo.

Karazan-biby mafana ra maro no tsentsefin' ny Plasmodiidae, izay iharan' izy ireo. Amin' ny karazana 123 fantatra ao amin' ny vondron-karazana Plasmodium, efatra ihany no mamely ny olombelona manokana: ny Plasmodium falciparum izay tompon' andraikitra amin' ny ankamaroan' ny fahafatesana, ary telo hafa izay miteraka endrika malemy kokoa sy tsy mahafaty amin' ny ankapobeny, dia ny Plasmodium vivax, ny Plasmodium ovale ary ny Plasmodium malariae. Ny karazana Plasmodium knowlesi, fahita any Azia Atsimo-Atsinanana saingy noheverina vao haingana ho katsentsitra manokan' ny rajako isan-karazany, dia fantatra ankehitriny fa misy fiantraikany amin' ny olombelona ihany koa, saingy amin' ny ankapobeny dia malefaka.

Artemisia annua, nampiasaina tany Sina nandritra ny 2 000 taona mahery mba hanamaivanana ny tazo.

Tamin' ny 6 Nôvambra 1880 no nahitan' ny dokotera frantsay iray, Alphonse Laveran, ny anton' io aretina io tao amin' ny hôpitaly miaramila any Constantine (Alzeria): ity dokotera ity dia nahazo ny Loka Nobel momba ny fiziôlôjia na ny fitsaboana tamin' ny taona 1907. Tamin' ny taona 1897 ny dokotera anglisy, Ronald Ross (Loka Nobel tamin' ny taona 1902) dia nanaporofo fa ny moka Anopheles no mpamindra ny tazomoka (hatramin' izao fotoana izao, ny rivotra maloto mivoaka avy amin' ny heniheny no noheverina ho tompon' andraikitra amin' ny fihanak' ilay aretina).

Tamin' ny 6 Ôktôbra 2021, ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (frantsay: Organisation Mondiale de la Santé - OMS) dia nanoro hevitra ny hampiasana ny vaksiny iadiana amin' ny tazomoka RTS,S/AS01 (RTS,S) mahavoa ny ankizy any amin' ny faritra atsimon' i Sahara sy any amin' ny faritra hafa ahitana fifindran' ny tazomoka P. falciparum antonony na mahery.