Loka Nobel

Avy amin'i Wikipedia

Ny Loka Nobel dia mari-pankasitrahana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, atolotra an'ireo olona na fikambanana nahavita be sy nitondra soa teo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona, na tamin'ny asa soratra na tamin'ny fikarohana, na tamin'ny ezaka ho an'ny fandriampahalemana nanomboka tamin'ny taona 1901.

Isaky ny volana oktobra no fitsinjarana io loka io, fa ny lanonana fanomezana ny loka kosa dia ny 10 desambra, andro hahatsiarovana ny nahafatesan'i Alfred Nobel (10 desambra 1896).

Alfred Nobel[hanova | hanova ny fango]

Alfred Nobel (1833-1896)

I Alfred Nobel dia namela lova mitentina 32 tapitrisa korona tamin'ny nahafatesany. Tsy nanondro n'iza n'iza tamin'ireo izay tokony handova azy mivantana izy tanatin'ny didim-pananana, fa ny nangatahany kosa dia ny hananganana andry iray misahana ny fanolorana fankasitrahana isan-taona ireo olona nahavita be ho an'ny zanak'olombelona, ka nahafahana nanatsara sy nampiroborobo tokoa ny fahaizana teo amin'ny lafin'ny fandriampahalemana na fifandraisana ara-diplaomasia , ny literatiora , ny fizika, ny fitsaboana ary ny fizika.


Ny Loka[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]