Fiteny baritô
Ny fiteny baritô na fiteny baritô lehibe dia vondrom-pitenin' ny sampana malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Avy amin' ny anaran' ny ony Barito ao amin' ny nosy Bôrneô i anarana io. Misy fiteny miisa 33 ao amin' io vondrona io izay mitsinjara ho sokajy 4 toy izao:
- ny fiteny baritô-mahakama: miisa 2;
- ny fiteny baritô andrefana: miisa 5;
- ny fiteny baritô atsinanana: miisa 18, ka isan' izany ny fiteny maaniany ao Kalimantan Atsimo sy ny fiteny malagasy eto Madagasikara sy ao Kômôro (fiteny kibosy).
- ny fiteny sama-bajao: miisa 8.
Fanasokajiana anatiny
[hanova | hanova ny fango]Fiteny baritô-mahakama
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny nosy Bôrneô, ao Kalimantan any Indônezia no ahitana ny mpiteny amin' ireo fiteny baritô-mahakama ireo. Ireto avy ireo fiteny ireo:
- fiteny amapananga,
- fiteny tonjonga.
Fiteny baritô andrefana
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny nosy Bôrneô, ao Kalimantana any Indônezia ihany koa no ahitana ny mpiteny amin' ireo fiteny baritô andrefana ireo. Ireto avy ireo fiteny ireo:
- fiteny kôhina,
- fiteny ôt danoma,
- fiteny sianga,
- fiteny bakompay
- fiteny ngajo daiaka.
Fiteny baritô atsinanana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina ao amin' ny nosy Bôrneô, ao Kamimantan any Indônezia, ao Mayotte ary eto Madagasikara ireo fiteny ireo. Ireto avy izy ireo:
Fiteny baritatsimo-afovoany
[hanova | hanova ny fango]- fiteny dosona deiaha,
- fiteny dosona malanga,
- fiteny dosona oito,
- fiteny maaniany,
- fiteny pako.
Fiteny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny malagasy dia mizara ho fitenim-paritra maromaro, anisan' izany ireto: fiteny bara, fiteny betsimisaraka avaratra, fiteny betsimisaraka atsimo, fiteny masikoro, fiteny merina, fiteny sakalava, fiteny kibosy (ao Mayotte), fiteny tandroy-mahafaly, fiteny antanosy, fiteny antakarana, ary fiteny tsimihety.
Fiteny avaratra
[hanova | hanova ny fango]- fiteny laoangana,
- fiteny tabôiana
Fiteny sama-bajao
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny sama-bajao dia ampiasain' ny vahoaka bajao. Miparitaka amin' ny velaran-tany midadasika hatrany Luzon (izay itenenana ny fiteny abaknôna) hatrany Timor andrefana. Ny foiben' ny vahoaka bajao dia ao amin' ny tangoro-nosy Sulu sy ao amin' ny morontsiraka avarara-atsinanana any Bôrneô, ary any Minahasa koa.
- fiteny abaknôna
- fiteny balangingy sama
- fiteny sama afovoany
- fiteny pangotarana sama
- fiteny sama atsimo
- fiteny iakàna
- fiteny mapona
- fiteny bajao amin' ny morontsiraka andrefana
- fiteny bajao indôneziana