Fiteny baritô atsinanana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny baritô atsinanana dia zana-bondron' ny sampam-piteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fiteny aostrôneziana. Any amin' ny nosy Bôrneô, any Kalimantana, any Indônezia, ao Mayotte, ary eto Madagasikara no misy azy ireo.

Fanakilasiana[hanova | hanova ny fango]

Mbola iadian-kevitra ny fanasokajiana ny fiteny baritô atsinanana. Ireo fiteny ireo dia matetika aseho ho mifandray amin' ny vondrom-piteny baritô maro hafa ao amin' ny nosy Bôrneô ary mamorona ny vondrom-piteny baritô lehibe. Nolavin' i Ross sy Adelaar io fihavanana misy eo amin' ny fiteny ao amin' ny vondrona baritô ireo. Ho an' ireo mpandalina teny roa ireo, ny fiteny baritô atsinanana, toa ny fiteny baritô-mahakama sy ny fiteny baritô andrefana, dia mivondrona amin' ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana. I Blust dia manilika ny fiteny baritô -- ary koa ny vondrona hafa ao amin' ny nosy Bôrneô, ny fiteny daiaka an-tany ary ny fiteny kaianika -- tsy ho ao amin' ny vondrom-piteny bôrneo avaratra. Eken' ny rehetra anefa ny firaiketan' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny baritô atsinanana.

Ireto ireo fiteny ireo:

  • ireo fiteny ao afovoany-atsimo: fiteny dosona deiaha, fiteny dosona malanga, fiteny dosona vito, fiteny maaniany, fiteny pako;
  • ny fiteny malagasy (anisan' izany ny fiteny bosy ao Mayotte);
  • ireo fiteny ao avaratra: ny fiteny lavangana, ny fiteny tavoiana.