Fiteny maaniany

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Vehivavy maniany manao fety

Ny fiteny maaniany na fiteny maniany dia fiteny aostroneziana tenenina any Indonezia, ao Kalimantàna afovoany, ao amin'ny nosy Borneo. Ao amin'ny sampana malaio-polinezianan'ny fiteny aostroneziana ny fiteny maniany. Ny fiteny maaniany dia iray amin'ireo fiteny barito atsinanana, izay vondrom-piteny malaio-polineziana andrefana. Ny fiteny malagasy no akaiky azy raha ny voambolana fototra no heverina. Miisa eo amin'ny 150 000 eo ny olona miteny azy, dia ireo vahoaka maaniany (zana-bondron'ny vahoaka daiaka) izay monina ao Kalimantana afovoany, any Indonezia. Misy fifanahafana akaiky dia akaiky amin'ny fiteny barito atsinanana toy ny fiteny pako (77%) sy ny fiteny dosóna vito (75%).