Fiteny baritô

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny barito)

Ny fiteny baritô na fiteny baritô lehibe dia vondrom-pitenin' ny sampana malaiô-pôlineziana ao amin' ireo fiteny aostrôneziana. Avy amin' ny anaran' ny renirano Barito ao amin' ny nosy Bôrneô i anarana io. Misy fiteny miisa 33 ao amin' io vondrona io izay mitsinjara ho sokajy 4 toy izao:

Fanasokajiana anatiny[hanova | hanova ny fango]

Fiteny baritô-mahakama[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny nosy Bôrneô, ao Kalimantana any Indônezia no ahitana ny mpiteny amin' ireo fiteny baritô-mahakama ireo. Ireto avy ireo fiteny ireo:

  • fiteny amapananga,
  • fiteny tonjonga.

Fiteny baritô andrefana[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny nosy Bôrneô, ao Kalimantana any Indônezia ihany koa no ahitana ny mpiteny amin' ireo fiteny baritô andrefana ireo. Ireto avy ireo fiteny ireo:

  • fiteny kôhina,
  • fiteny ôt danoma,
  • fiteny sianga,
  • fiteny bakompay
  • fiteny ngajo daiaka.

Fiteny baritô atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Tenenina ao amin'ny nosy Bôrneô, ap Kamimantana any Indônezia, ao Maiôty ary eto Madagasikara ireo fiteny ireo. Ireto avy izy ireo:

Fiteny atsimo-afovoany[hanova | hanova ny fango]

  • fiteny dosona deiaha,
  • fiteny dosona malanga,
  • fiteny dosona oito,
  • fiteny maaniany,
  • fiteny pako.

Fiteny malagasy[hanova | hanova ny fango]

Fiteny avaratra[hanova | hanova ny fango]

  • fiteny laoangana,
  • fiteny tabôiana

Fiteny sama-bajao[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny sama-bajao dia teenin' ny vahoaka bajao. Miparitaka amin' ny veleran-tany midadasika hatrany Luzon (izay itenenana ny fiteny abaknôna) hatrany Timor andrefana. Ny foiben' ny vahoaka bajao dia ao amin'ny tangoro-nosy Sulu sy ao amin' ny morontsiraka avarara-atsinanana any Bôrneô, ary any Minahasa koa.

  • fiteny abaknôna
  • fiteny balangingy sama
  • fiteny sama afovoany
  • fiteny pangotarana sama
  • fiteny sama atsimo
  • fiteny iakàna
  • fiteny mapona
  • fiteny bajao amin' ny morontsiraka andrefana
  • fiteny bajao indôneziana

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]