Hankany amin'ny vontoatiny

Fiteny kibosy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kibosy na fiteny sibosy na fiteny bosy dia fiteny iray ao Mayotte ifampiresahin' olona miisa 47.900 eo ho eo tamin' ny taona 2012. Izy no fitenin-dreny faharoa ao amin' io nosy io aorian'ny fiteny simaôre, fa ny fiteny frantsay kosa mitoetra ho fiteny ôfisialy. Endriky ny fiteny malagasy ny fiteny kibosy ka anisan' ireo fiteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Manakaiky ny fiteny malagasy tenenina any amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Madagasikara (Antsiranana sy Mahajanga) ny fiteny kibosy. Endriky ny fiteny kibosy ny fiteny kiantalaotsy sy ny fiteny kibosy kimaôre.

Ireto ny tanàna sasany ao Mayotte itenenana kibosy: Bambo-Est, M'Bouini (na M'Boueni), Passi-Kéli, M'Ronabéja, Kani-Kéli, Chirongui, Poroani, Ouangani, Chiconi, Sohoa, M'Tsangamouji, M'liha, Acoua, Mtsangadoua, Hamjago, Dapani, Mtsamoudou.

Fampitahana amin'ny teny malagasy ofisialy

[hanova | hanova ny fango]
Voanteny anglisyBoshiMalagasy ofisialy
1araikyiray
2arôy, aroayroa
3telotelo
4efatraefatra
5dimydimy
6tchouta, tsiota, tshoutaenina
7fitofito
8valovalo
9sivysivy
10folofolo
Izahoizaho, aho
youanao, anareoanao, anareo
he, sheizyizy
weatsikaisika
theyreoaareo
alljiabyrehetra, avy
andndraiky, ndraikasy
yetmbolambola
nottsytsy
tooka, koakoa
todaynianyandroany
weekherignandraherinandro
in, insideagnatyanaty
thingrahazavatra
foodanignysakafo, anina
childzaza, tsaikyzaza
womanviavyvehevavy
manlalahylehilahy
thank youmarahabamisaotra
FranceFarantsaFrantsa
your housetragnonareotranonareo
to listenmitandregnymihaino


Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]