Aller au contenu

Diogo Lopes de Sequeira

Avy amin'i Wikipedia
Diogo Lopes de Sequeira

I Diogo Lopes de Sequeira dia andriana pôrtogey nalefa handalina ny mety ho fetezan' ny raharaham-barotra eto Madagasikara sy any Malacca. Teraka tamin' ny taona 1465 izy ary maty tamin' ny taona 1530. Tonga tany Malacca izy tamin' ny 11 Septambra 1509 ary niala tavy ao tamin' ny taona nanaraka rehefa hitany fa nikasa hamono azy ny soltàna Mahmud Shah. Nanome fahafahana an' i Afonso de Albuquerque hanomboka ny diabe amin' ny fakana tany izany.

Lasa governoran' i India Pôrtogey i Sequeira (taona 1518–1522), ary tamin' ny taona 1520 dia nitarika diabe fanafihana mitohy tany amin' ny Ranomasina Mena izy, izay nanafaingana ny fametrahana ny masoivoho pôrtogey ara-dalàna voalohany tany Etiôpia.