Aller au contenu

Lazarista

Avy amin'i Wikipedia
Sary sy soratra famantarana ny fikambanana 'ny Lazarista

Ny Kôngregasiônan' ny Misiôna dia fikambanana katôlika naorin' ilay pretra frantsay atao hoe Vincent de Paul ho an' ny lehilahy, tsy manonona ny voadin' ny relijiozy, nahazo fankatoavana amin' ny Fiketrahana Masina (ny papa sy ny mpiara-miasa aminy ao Vatikana). Atao hoe mômpera lazarista na frera lazarista na Lazarista ny mpikambana ao. Amin' ny teny latina ity fikambanana ity dia atao hoe Congregatio Missionis.

Ny teny filamatr' io fikambanana io dia ampahan' andininy ao amin' ny Lioka 4:18 amin'ny teny latina hoe: "Evangelizare pauperibus misit me" (izay azo adika hoe "Naniraka ahy hitory ny vaovao mahafaly amin' ny malantra izy").

Md Vincent de Paul

Nalefa hamita iraka lavitra ny Lazarista (tany Tunis tamin' ny taona 1645, taty Madagasikara tamin'ny taona 1648, tany amin' ny Empira Ôtômana tamin' ny taona 1783, avy eo nankany Sina, hisolo ny Zezoita tamin' ny faran' ny taonjato faha-18, ary indrindra tamin' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny tapany voalohany tamin' ny taonjato faha-20, ary nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19 tany Etiôpia, izay nanaovan' izy ireo asa maro tokoa, sady nanorenan' izy ireo ny Vikariata Apôstôlika tao Abisinia. Nanao asa fanabeazana sy asa fiantrana izy ireo ary ankehitriny dia manohy ny iraka any an-tany lavitra. Ny Lazarista dia manolo-tena amin' ny fanofanana ny mpitondra fivavahana (seminera), ny fitoriana ny filazantsara, ny famitana iraka any amin' ny paroasy, indrindra any ambanivohitra. Tamin' ny taona 2009 ilay fikambanana dia nisy mpikambana 3 829 (anisan' izany ny pretra 2 999 sy ny eveka 30) ho an' ny "trano" 516.

Ireto ny Lazarista malaza: Teodorico Pedrini (1671-1746) tany Sina, Jean Le Vacher (1619-1683), Jean Delagrive (1689-1757), Antoine Franzini (1696-1764) tao Rôma, Antoine-Adrien Lamourette (1742-1794) tao Paris (Frantsa), François-Régis Clet (1748-1820) tany Sina, Félix De Andreis (1778-1820) tany Amerika Avaratra, Joseph Rosati (1789-1843) tany Saint Louis (Missouri, Etazonia), Ghébré Mikaël (1791-1855), Jean-Gabriel Perboyre (1802-1840) tany Sina, Évariste Huc (1813-1860) tany Sina sy Tibeta, Jean-Pierre Armand David (1826-1900) tany Sina, Pierre-Marie-Alphonse Favier-Duperron (1837--1905) tany Pekin (Sina), Guillaume Pouget (1847-1933), Henri Louis Théophile Heudre (1861-1938), Pierre Coste (1873-1935), Vincent Lebbe (1877-1940) tany Sina, Henri Watthé (1878-1935), Henri Garnier (1883-1965) tany Sina, Pedro Opeka (1948-) eto Madagasikara, Stéphane II Ghattas, C.M., (1920-2009) tao Kahira (Ejipta), Berhaneyesus Demerew Souraphiel, C.M. , (1948-) tao Addis Abeba (Etiôpia), Vincent Holzer (1963) tao Paris (Frantsa).