Papa

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Papa no anaram-boninahitra iantsoana ny evekan'i Roma sady izy koa no lohan'ny Fiangonana katolika romanamaneran-tany. Araka ny fampianarana katolika dia mifindra amin'ny alalan'ny fifandimbiasana hatramin'ny Masindahy Piera (na Petera) izay nahazo izany tamin'i Jesoa Kristy ny fahefan'ny papa. Izany no ataon'ny Katolika hoe fifandimbiasana apostolika. Ny anaram-boninahitra hoe papa dia hita ao amin'ireo tahirin-kevitra nanomboka tamin'ny Konsily voalohany tao Nisea (na Nikea) tamin'ny taona 325. Ny papa koa dia filohan'ny Fanjakan'i Vatikàna.

Amin'izao fotoana izao dia i Jorge Mario Bergoglo no papa izay nitondra ny anarana hoe Fransoa (na Frantsesko) izay nandimby an'i Benoa XVI (na Benedikto XVI) sady izy no papa faha-266. Tamin'ny 13 Mey 2013 no nahalany azy ho papa.