Hankany amin'ny vontoatiny

Jolio II (papa)

Avy amin'i Wikipedia
Jolio II
Ankapobeny
AnaranaJolio II
Teraka14 Desambra 1443
Toerana-
Maty3 Martsa 1513
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Frantsa
Asa :Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Jolio II dia papa teratany frantsay tamin' ny taona 1503 hatramin' ny 1513. Teraka tamin' ny 14 Desambra 1443 ary maty tamin' ny 3 Martsa 1513 tao Roma izy. Ny fitondrany dia isan'ireo heverina fa tsara laza indrindra nandritra ny andron' ny Fifohazan-tsaina. Giuliano Della Rovere no tena anarany.

Nohosoran' ny papa Siksto IV, izay dadatoany ihany, ho eveka izy. Nandritra ny naha eveka azy dia nanan-janaka vavy telo izy sady nangorona harena miavosa, nefa nandositra tany Frantsa izy rehefa tonga teo amin'ny fahapapana i Aleksandra VI (i Rodrigo Borgia) tamin' ny taona 1492.

Voafidy ho papa tamin' ny alalan' ny fanambazana (fitsolorana) amin' ny fomba feno hafetsena izy rehefa maty i Pio III tamin'ny taona 1503. Nisahirana tamin' ny hanambarana sy ny hanitarana ireo Fanjakan' ny papa ary ny famerenana indray ny fahefan'ny papa manoloana ireo tompomenakely i Jolio II. Niaraka tamin' i Frantsa niady tamin'ny Repoblikan' i Venezia izy tamin' ny taona 1508 avy eo niaraka tamin' i Venezia (fr. Venise) hiady amin' i Frantsa koa tamin' ny taona 1511.

Ny bazilika Masindahy Piera

Tia zavakanto sy fanorenana izy ka nahatongna an' i Roma hahitana trano miezinezina maro sy trano fiangonana kanto dia kanto. I Jolio II no nanomboka ny fanamboarana ny bazilika Masindahy Piera ao Roma tamin' ny taona 1506. Nampanisiany sary hosodoko an' i Michelangelo (frantsay: Michel-Ange) ny tao anatin' ny lasapely Sikstina. Tia ady i Jolio II sady namadika ho raharaham-barotra ny indolzansa (na endolzansy) hanamboarana ny bazilika Masindahy Piera ka maro ireo nitsangana nanohitra an' izany toa an' i Erasmo sy i Martin Lotera.


Papa faha-216

[hanova | hanova ny fango]
nodimbiasany Papa faha-216 mpandimby
Pio III
1503-1503
Jolio II (papa)
1503-1513
Leo X
1513-1521

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]