Eveka

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny eveka dia izay manam-pahefana ao amin'ny fiangonana kristiana amin'ny faritra na diosezy (na diosesy) iray. Maro ny endrika mety hisehoan'ny maha eveka ny eveka. Misy eveka ny fiangonana katolika sy ny fiangonana ortodoksa sy ny fiangonana anglikana ary ny fiangonana protestanta sasany. Ao amin'ny katolisisma, ny eveka vaovao dia ataon'ny eveka iray na maro ordinasiona nivoaka avy amin'ny fifampitohizan'ny mpanao ordinasiona, izay inoana fa mipaka ara-tantara hatrany amin'ny andron'ny iray amin'ny apostolin'i Kisty. Izany no atao hoe fifandimbiasana apostolika.

Ao amin'ny protestantisma kosa dia anjara asa sahanina eo amin'ny fiangonana ny maha eveka fa tsy misy fototra momba ny sakramenta. Amin'ny Protestanta dia tsy zavatra tokony ho fotorina ara-tantara ny fifandimbiasana apostolika fa zavatra ara-panahy. Rehefa tsy manangana anjara asan'ny eveka ny Fiangonana dia filoham-piangonana no fidina mba hisahana ny andraikitra tokony ho nosahanin'ny eveka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]