Diôsezy

Avy amin'i Wikipedia

Ny diosezy tany am-boalohany dia fari-piadidiana tao amin' ny Empira Rômana noforonina tamin' ny fotoana nanapahan' ny emperora Diôkletiano, tamin' ny faran' ny taonjato faha-3. Io teny io dia noraisin' ny Eglizy Katôlika mba hanondroana ny faritra misy ny evese, izay nantsoina hoe paroasy tamin' ny voalohany. Izany no faritra apetraka eo ambany andraikitry ny eveka. Ao amin' ny Eglizy Ôrtôdôksa dia ampiasaina ny teny hoe metrôpôly izay tarihin' ny metrôpôlita. Misy diôsezy koa ny ao amin' ny Fiangonana anglikana sy amin' ny Fiangonana loterana.

Avy amin' ny teny latina hoe diœcesis na diocesis, izay avy amin' ny teny grika hoe διοίκησις / dioíkêsis, izay midika hoe "fitantanan-draharaha" na "fitondrana" io teny io. Ny dioecesis na diœcesis, tao amin' ny Empira Rômana faramparany (avy amin' ny Tetrarkia naorin' i Diôkletiano) dia distrika ara-pitantanana mampivondrona faritany maromaro ary eo ambany fiandraiketan' ny vikera, solontena sivilin' ny emperora; ny diôsezy indray dia nozaraina ho provincia ("faritany").

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]